mardi 30 août 2011

Ny fisalasalana

Raha misy sakana lehibe eo amin’ny fivelaran’ny olombelona dia anisany ny fisalasalana. 

Miharo tahotra manko io fisalasalana io, raha tena fotorina. Ao ny tahotra sao voatsikera amin’ny teny ambara, na amin’ny fanapahan-kevitra, na koa amin’ny zavatra atao.


Marina fa tsy mety raha dia samy manao izay sitraky ny fony avy ny olona tsirairay, ka sady tsy hihaino tsikera no tsy handinika mialoha ny fanapahana hevitra. Kanefa, raha tafahoatra ny fivezivezin’ny hevitra sy ny eritreritra, na diso ny finoana, na tsy ampy fahalalana, dia mipoitra ny fisalasalana. 

Anisan’ny mahatonga olona misalasala koa ny traikefa mangidy, na ampaham-piainana sarotra nolalovana, ka tsy tiana hiverina intsony. Ny ohabolana nefa manambara fa indray tsy mahamasa-bary ve dia andevin-tsotrobe ?

Marina koa anefa fa ilaina ny misintona lesona amin’izany traikefa izany : ny zaza aza mahalala mitandrina raha sendra taolan-trondro ! Soa kenda hahay hitsako, soa lavo hahay hamindra !

Indreto angano roa, isaintsainana ny ilàna fahatokisan-tena, fitiavana, sy fahasahiana mba hampandroso ny tena, ao anatin’ny seha-piainana samihafa.


Angano 1 : Ilay voromahery

Nisy, hono, atody-na voromahery latsaka avy tao amin’ny akaniny ka tonga tao amin’ny akanin’ny akanga. Dia nokotrehin’ny akanga soa aman-tsara io. Rehefa foy ilay zana-boromahery, dia notezaina sahala amin’ny akanga hafa.

Indray andro, nahatazana voromahery teny an-danitra izy. Dia nanontany ireto akanga namany :

-- Fa inona kay iry misidina any an-danitra iny ?

Dia novalian’iretsy hoe : Voromahery io, vorona matanjaka sady mahay manidina. Aza mitopy maso any akory ianao, fa isika akanga ange ka tsy afa-manidina e !

Dia nionona tamin’izay ilay zana-boromahery, ka mandra-maty dia niaina toy ny akanga izy.


Angano 2 : Ilay sahona mpandresy

Nisy fifaninanana hono, teo amin’ny sahona iray tarika. Mihanika rindrina malama no tanjona, ka izay tonga any amin’ny faratampon’ny rindrina no mpandresy.

Dia nitsambikina ireto sahona, tafapetaka amin’ny rindrina, dia…..mibolisatra…. mibolisatra… miraraka moramora ka lavo aty ambany daholo. Mamporisika ny mpitazana sy mpanohana fa e-e-e ! Miraraka ihany, ary tsy nisy tafakatra mihoatra noho ny iray metatra dia lavo ihany. Mihoraka ny mpitazana hoe sarotra io e !

Efa saika natsahatra ny fifaninanana dia indro tamy ny sahona iray, nitsambikina, nibolisatra, nitsambikina ihany, nibolisatra ihany. Efa mihorakoraka ny rehetra hoe tsy misy tafita amin’io e ! Lasa ihany ilay sahona, nitsambikina, ary dia gaga ny mpitazana.

Tafakatra ihany izy, tafakatra tsikelikely, na dia mibolisatra eny antenantenany aza. Farany hoy ianao : nipetraka teryyyy an-tampon’ilay rindrina izy vao gaga daholo ny mpikarakara ny fifaninanana. Nantsoina, nankalazaina sady nankasitrahana ary nobiana fatratra ilay sahona mpandresy. Nanontaniana azy ny tsiambaratelony nahafahany nihanika ity rindrina malama.

Tsy mamaly anefa ilay sahona mpandresy. Hay izy ity marenina

Dia toy izay isika olombelona : raha vonona ny hibata ny amboara, mila miharitra, mila mandresy ny fisalasalana ateraky ny eritreritra na ny tsikera. Matokisa ny tenanao ! 


Mahereza ary an. Matokisa amin’izay atao !




Aucun commentaire: