vendredi 26 août 2011

Misy mampihomehy indray


Mahavariana ny zava-misy eto amintsika an !

Hay moa ity toerana ahitana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ka nisy fotoanany, mbola nangadihady be tahaka ny hita amin’izao sary izao….



Ary tsy hoe babangoana fotsiny fa toerana fanaovan’ny olona ny tsy fanao mihitsy angamba, matoa nahitana izao soratra izao hihihi


Eto Antananarivo dia feno soratra tahakan’io. Enga anie mba hadio ihany ny olona e. Marina fa ny olombelona tsy akoho an, saingy aleo ihany mandeha amin’ny toerana efa natokana ho an’izany e !

Izay indray ny amin’iny fa samia tsara isika an ! 


Aucun commentaire: