mercredi 24 août 2011

Lohamenaka, sady sakafo no fanafody


Maro eto amintsika ny zavamaniry anamboarana lohamenaka na "huile essentielle". 

Mahasoa tokoa ireny an, azo ampiasaina amin’ny fitsaboana na koa amin’ny fandrahoana sakafo. Kanefa, mila fitandremana ny fikirakirana azy ireny, ka tsara ny mandray torohevitra amin’ny mpitsabo.

Avy hatrany dia ambara fa matetika ny vehivavy mitondra vohoka sy ny ankizy na ny zazakely dia tsy tsara mampiasa lohamenaka, raha tsy torolalana mazava avy amin’ny mpitsabo. Mahery manko ny singa ao anatin’ny lohamenaka, ka izany no ilàna fitandremana ho an’ireo sokajin’olona ireo.


Raha voapetraka izany rehetra izany, inona ary no azo ambara koa ?

Tsy ampiasaina amin’izao ny lohamenaka noho izy marihitra be. Tsy maintsy afangaro amina menaka avy amin’ny zavamaniry hafa (huile végétale) tahaka ny mena-boanjo na menaka soja fampiasa ao an-trano. Ampiasao koa ny "huile d’amande douce" fa tsara io an.

Atete anaty tantely koa ny lohamenaka raha tahiny ka hohanina. In-3 mitete no matetika atoron’ny mpitsabo, atao amin’ny tantely iray sotro kely.

Lohamenaka andramena, mampavitrika sady mampitony

Malaza ery ny andramena (bois de rose) avy eto Madagasikara, hay tena maro mpanjifa any an-dafin’ny Riaka any izy io an ! Ary ahazoana lohamenaka manitra sady mahasoa, ankoatra ny fanaka vita avy aminy !

Anisan’ny fahasoavan’ny lohamenaka andramena ohatra, dia mampateza ny hoditra izy io. Manamaina ny fery (cicatrisant) no sady mampihena ny fikentron’ny hoditra (ride). Tanora be izany izay mampiasa azy ? hihihi Mampitony ny toe-panahy mangitakitaka na ny fahakiviana, izany hoe mampilamina sady mampavitrika ny lohamenaka andramena. Hosory eo amin’ny "plexus solaire" dia vita !

Voalaza fa manasitrana kohaka, sery na koa feo mifarina ny lohamenaka andramena. Ao anatin’ny fanasitranana ihany, dia azo itsaboana areti-nify, aretina an-doha na ao an-damosina io lohamenaka io. Tsy ireo ihany akory no ampiasana ny lohamenaka andramena, fa ato pihana  raha te – handalina bebe kokoa ianao :-)


Atao amin’ny sakafo

Tsy mahazatra izany, satria matetika ny "arôme alimentaire" no fampiasantsika amin’ny fahandro, na ilay zavamaniry mivantana : dipoavra, solila, voasary makirana, persily, kotomila, sy ny hafa. Rariny loatra izany, ananantsika ireo koh !

Fa raha mba te – hanandrana tsiron-tsakafo hafa, manisà lohamenaka indray mitete (1 goutte) isaky ny olona misakafo. Raha efatra ny mpiray latabatra, dia in-4 mitete izany no araraka anaty ilay "huile végétale" an.

Inona no lohamenaka azo ampiasaina, ary amin’ny sakafo tahaka ny ahoana ?

Maro tokoa, raha ny ambaran’ny Madagascar Santé Hebdo (gazety Homeopharma) : Menthe poivrée ohatra, azo atao anatin’ny vinaigrette, na mousse au chocolat (miala tsiiiiny amin’ny vary amin’ny akotry !)
Ny lohamenaka voasary makirana, afaka arotsaka mandritra ny fanamboarana mofomamy, na yaourt, andray ! Ao koa ny lohamenaka basilic hoy ny Madagascar Santé Hebdo, afangaro amin’ny laoka akoho, na pâtes, na sauce tomate, izany hoe sakafo masira !

Izay no ela fa dia samia mahita ny soa an ! Maro dia maro ny hevitra azo hiheverana ny sakafo, mba sady hatsiro no ho mahasalama. Miam miam, hoy ny mpankafy :-D



Aucun commentaire: