mardi 26 juillet 2011

Laoka tsara

Andao indray hiresaka sakafo r’ireto â ! Vary sy laoka ary salady vinaigrety no aroso ho antsika anio. Ho an’ny olona roa indroa mihinana na efatra indray mihinana.


INONA ARY NO ILAINA ?

Ho an’ny laoka tsara
Hena kisoa (na hena omby) 250 gr (fahefa-kilao)
Tsaramaso lena 2 kapoaka
Karoty 1 na 2
Poivron 1
Sira
Menaka


Ho an’ny salady vinaigrety
Salady (laitue) iray na roa arakaraka ny habeny
Persil, tongolo maitso, eran’ny tanana avy
Tongolo oignon iray
Menaka
Vinaingitra
Sira
Siramamy


DIA AHOANA NO ATAO ?

Fandrahoana ny laoka tsara
Rehefa voakobana ny hena, dia arotsahy ao am-bilany. Endakendasina tsara, andrahoina mihitsy no mety, raha tiana halemy ny hena. 30 minitra anaty "cocotte-minute" raha manana ianao dia mety tsara io.
Mandra-pahamasaka ny hena, sasao ny legioma rehetra (tsaramaso, karoty, poivron). Voaso ny karoty ary teteho madinika. Teteho koa ilay poivron, ampahany ihany dia ampy fa tsy izy manontolo akory no ilaina.
Arotsahy ao anatin’ny vilany miaraka amin’ny hena, asio sira. Rano manarona azy atao, na mihoatra kely. Ketsaketsa manko no tadiavina. Dia andrahoy 30 minitra indray, masaka tsara. 

Fanamboarana ny salady vinaigrety
Sasao tsirairay avy in-telo raha kely indrindra ny ravin-tsalady ! Aleo ary milona kely anaty rano misy "sur’eau" raha misy ao aminao, mba azo antoka ny fahadiovana. Saratsaraho tsara, esory ilay kirany avofoany fa anatin’iny no tena itoeran’ny loto sy otrikaretina. Omano koa ny tongolo maitso sy ny persil, sasao tsara dia teteho madinika tsara an.

Amboary indray àry ny vinaigrety : silaho ny tongolo oignon efa voadio, dia arotsahy voalohany. Angalao indroa na intelon’ny sotro fihinanam-bary ny vinaingitra. Ny anay "vinaigre de cidre", sady mahery no matsiro no ampiasainay ka indroan’ny sotro raha be dia ampy. Tapoahana rano rehefa avy eo. Dia ataovy eran’ny sotro iray fotsiny ny menaka, tsy mila betsaka loatra. Asio sira, siramamy kely. Vita. Afafazo eo amboniny ilay persil sy tongolo maitso voatetika. 

Alohan’ny hihinanana azy, arohirohy tsara. 

Vary sy laoka ary salady, sakafo feno no tsara ho hanina isan’andro. Mazotoa homana ô !

Aucun commentaire: