Iza no tsy mahalala sakay endasina ? sa mofo sakay itony ?
Mahavariana an ! Mofo anana asiana sakay no fiheverako ny mofosakay hatrizay. Hay moa ireto sakay ireto afaka atao mofomofo (beignet) koa hihihi.
Irony atao hoe fantsinakoholahy irony no ampiasain’ny olona amin’izany. Matsiro an !
Atao tsakitsaky.matetika no anamboarana ireto mofosakay na sakay mifono mofo ireto. Tsotra be ny fanamboarana azy an.
![]() |
Toy izao ny endriny ao anaty lapoaly |
Inona avy ary no zavatra ilaina ?
Menaka 1/4 litatra
Pâte à beignets
Ho an’ny pâte à beignets :
Atody 1Lafarina 10 sotro (fihinanam-bary)
Ronono 1/4 litatra
Sira
Fanamboarana ny pâte à beignets
Kapohina ny atody, afangaro amin’ny lafarina sy ronono. Kapohina hifangaro tsara, tokony tsy harihitra loatra nefa tsy mitsiranoka loatra koa ny pâte à beignets. Asio sira araka ny tsirony antonony ny lela.
Endaso amin'izay ny mofosakay
Rehefa vita izany dia afanaina ny menaka. Ny sakay efa voasasa madio tsara, miaraka amin’ilay rambony kely iny, no atsoboka ao anaty pâte à beignets. Alefa anaty menaka mamay, avadibadika ho mendimendy tsara.
Izay dia vita !
Hohanina mafana no tena mampatsiro ity sakay mifono mofo ity. Fahita any amin’ny mpivarotra hani-masaka na eny amoron-dalana ihany koa. Indraindray tena masiaka be ilay sakay an ! Fa io moa samy manana ny tiany kouh hihihi
Dia mazotoa omana ary ô !
Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho anao. :-)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire