jeudi 29 décembre 2011

Jery todika 2011…

Fanao tokoa rehefa toy izao ny manatanteraka jery todiky ny taona lasa ô?

Ka inona ary no azo ambara tamin’ity taona 2011 madiva hifarana ity ?


Amin’ny ankapobeny

Raha ny fiainam-pirenena eto Madagasikara aloha dia ny omaly tsy miova: misamonta toy ny ranomasina azon’ny tafiodrivotra, indrisy ! (ilay hoe misamonta aloha mampihomehy kely an hihihi)

Na atao hoe, vita sonia ny Tondrozotra aza, dia ireo mpanao pôlitika vitsivitsy ihany no nifanaraka hampihatra izany, eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Dia inona no mba hevitro sy hevitrao olom-pirenena amin’izany?

Eo amin’ny lafiny sôsialy sy toekarena, dia tsaroan’ny besinimaro ny fihenan’ny fahefa-mividy. Tsy ny vola miditra no mihena, tsy izay ihany. Fa niakatra izaitsizy ny vidin’entana, raha ny tarehimariky ny INSTAT no raisina. Mampieritreritra an!

Maro ihany ireo “malala-tanana” manolotra fanomezana ho an’ny “sahirana” anatin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Isaorana azy ireo tokoa izany, mba mandray ny “sitrany ahay” ny mahantra e !

Tokony ho asa maharitra tahaka ny an’i Père Pedro anefa no atao eto amin’ny firenena, raha ny hevitro manokana. Tsetsatsetsa tsy aritro moa izay hihihi


Any an-dafin’ny Riaka any dia oay ! oay ! oay ! Mimenomenona ary, mimenomenona atsy. Manongam-panjakana atsy andrefana, mametraka tetezamita ery atsinanana. Ny firenena matanjaka bokan’ny trosa tahaka ny mahantra ihany nefa mbola mivatravatra mandidy sy manapaka ihany. Hihihi

Fijery ankapobeny moa ireo voalaza ireo, fa mba nisy ihany ho singanina an :-)


Ireo tranga niavaka

Momba ny tontolo iainana sy ny fahasimbany dia mahonena ny fiantraikany eto amintsika. Niseho tamin’ny endriny henjana mihitsy ny haintany teto amintsika, raha tsy hitanisa ny "délestage" lavareny ataon’ny JIRAMA isika. Aiza koa efa ho 90 andro mahery no nisian’izany nandritra ity taona ity hono, raha 06 andro fotsiny tamin’ny 2010. Oadray !

Soa fa misy koa ireo antokon’olona tahaka ny "Alliance Voahary Gasy" mbola mampaneno lakolosy mikasika izany rehetra izany. Tsy ary ho voatatitra eto daholo ny asa sahaniny fa afaka mikaroka amin’ny Google ihany ianao raha liana amin’io resaka tontolo iainana io.

Anisan’ny nanamarika ny taona 2011 koa ny firohotry ny olona tany am-piangonana nandritra ny andro Krismasy, faha-25 desambra teo. Noho io andro io mitotona alahady ve no antony ? Sa vontom-pinoana ny olona ? Sa vokatry ny "krizy" lavareny eto amin’ny firenena ?

Ankehitriny, miitatra toy ny sima misioka ny "ady" eo amin’ny pôlisy sy ireo mpitsara, noho ny fahafatesan’ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ny 09 desambra 2011. Mampieritreritra an ! Efa mampiaka-peo mihitsy ny mana-manjo ka samia mandray andraikitra rey olona â !


Fa ny olona tsirairay dia samy manana ny jery todika azy manokana koa, tamin’ny fiainany eo amin’ny ankohonany, eo amin’ny fiarahamonina misy azy, eo amin’ny sehatry ny asa sy andraikitra sahaniny. Manao ahoana ny anao ?

Enga anie mba nisy tsara taminao iny taona iny, na mety nandalovana fahasarotana aza. Matokia fa ny tsara sy ny rariny ary ny marina, tsy maintsy mitranga eny foana.

Ho aminao ny soa sy ny mahafinaritra. Samia ho tahian’Andriamanitra ary hambinin-java-manasatra isika ô ! :-D



(Na izany aza, aza manao sasatra loatra an ! hihihi ;-)

Aucun commentaire: