mardi 1 novembre 2011

Ampiasao ny saina !

Efa hiatrika sahady ny andiam-panadinana ny kilonga amin’ity herinandro ity.

Ho an’ireo mpianatra izany dia ao anatin’ny famerenan-desona fatratra ny ankamaroany ankehitriny, ntsooo….

Amin’ny ankapobeny dia efa samy manana ny fotoana ianarany sy ny fandaminany izany ny tanora sy ny ankizy. Fanazaran-tena sy famerenana no fototra fitaizana ny fitadidiana rehefa mianatra.


Ho an’ny olon-drehetra koa anefa dia ilaina ny fitaizana io fitadidiana io : mihavotsa manko ny saina (na ny ati-doha) rehefa tsy ampiasaina hihihi

Izany no amporisihana antsika, na kely na lehibe hoe : ampiasao ny saina !


Malaza mampavitrika fitadidiana ny "chocolat" 

Matoria ara-dalàna….

Ny torimaso no ahafahana miala sasatra, ara-batana ary koa ara-tsaina. Eo amin’ny 8 ora isan’andro no faharetan’ny torimaso ampy ho an’ny tanora sy ankizy mandritra ny alina manontolo (tsy mitapatapala izany). Mety mihena io ho an’ny olondehibe (adulte) kanefa tsy tokony ho latsaky ny adin’ny 6 raha kely indrindra.

Efitrano madio, milamina sy mangina no mahatsara torimaso. Aza manao voky loatra amin’ny sakafo hariva an ! (*) 

  

Mazotoa mandalina fahalalana ary milalaova….

Eny, mila ampiarahana amin’ny fampiasana ny saina ny fialam-boly. Raha mamaky boky na mijery fanadihadiana amin’ny fahitalavitra (televiziona), dia mahereza mifantoka tsara. Izany no mampavitrika ny fitadidiana. Ampifandimbiaso koa ny fialam-boly sy ny fiasan-tsaina. Ny zanak’olombelona manko dia natao hiala voly koa !

Mihira, mandihy, mankafy fitsangantsanganana, fampisehoana, sy ny hafa. Maro koa ireo tanora no mikatroka fanatanjahan-tena toy ny baolina, lomano, haiady. Ao koa ny fianarana mozika na dihy, indrindra fa ny fianarana soradihy (chorégraphie). Na koa, ireo kilalaon-tsaina tahaka ny « mots croisés », na irony lalao maro toy ny « échecs », « jeu de dames », sns e ! Oadray, ny fanorona tena malagasy koa eo e !

Ny fifantohan’ny saina mandritra ireo fialam-boly ireo manko dia manampy ny fitadidiana. Hita mihitsy ny vokatra amin’ny fahavitrihana rehefa mianatra.



Mifalia hatrany :-)

Mifalia hatrany tokoa : mety ho henjana, ho an’ny tanora indraindray, ny fiatrehana miaraka ny fahazoana ny lesona (zava-baovao), ny fitadidiana azy, ny fahaizana mamaly ny fanontaniana mandritra ny fanadinana, na an-tsoratra na am-bava. Mihatsotra sy mora anefa izany raha lanjalanjaina tsara ireo fotoana ireo : fianarana, fialam-boly, fiainam-pianakaviana.

Ho an’ireo olondehibe moa dia mazava fa mandritra ny fotoana iasany, mampiasa ny fitadidiana hatrany izy. Raha maro anefa no ierehana, tsara ihany ny mampiasa irony boky agenda irony : raiketo ao avokoa ny anton-draharaha tokony ho tadidiana sy ho tanterahina.
  

Dia mirary tontolo andro finaritra ho anao hatrany !


(*) Mbola ho resahintsika ny sakafo mahasoa amin'ny fitadidiana :-D


Aucun commentaire: