samedi 5 novembre 2011

Fitahirizana sakafo

Anisan’ny nampiasa saina ny olombelona hatrizay hatrizay ny fomba fitahirizana sakafo, na manta io na masaka.

Izany ka sakafo an !

Amin’izao vaninandro môderina izao moa dia efa misy ny vata fampangatsiahana na réfrigérateur.

Kanefa tsy ary ho fitahiry ao anatiny  avokoa ny karazan-tsakafo rehetra. Fanampin’izany, mbola mpitranga matetika ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo hihihi. Ary any amin’ny faritra moa dia ny groupe électrogène no be mpampiasa.

Marihina fa raha sakafo masaka no tiana ho tehirizina dia na vata fampangatsiahana no ampiasaina, na ato amin’ny toerana mangatsiatsiaka ny sakafo… ary saromana tsara. Ohatra : vary, ronono, ranom-boankazo…

Izay no ela, fa… inona ary no azo atao raha hitahiry sakafo ?

Ny tongolo gasy izao dia hapetraka amin’ny toerana maimaina fotsiny….
Azo ampiasaina ny hafanana, ny rano, ny menaka, vinaingitra, sira, siramamy, an-koatra ny congélation. 

Ao koa ireo hanina apetraka fotsiny amin’ny toerana tsy mafana, maloka no sady tsy mando fa maina tsara. Tsy maintsy misarona ny sakafo raha toa ka tsy hohanina eo no ho eo an !!!

Ny hafanana : na avy amin’ny masoandro io, na amin’ny alalan’ny fatana, na lafaoro. Manamaina ny sakafo no tena anton-draharaha, na manao koa stérilisation, na mahandro mihitsy.

Ireo legioma sy voankazo matetika no atanika tahaka izany mba hanamainana azy. Ny hena koa dia fitahiry amin’ny alalan’ny hafanana, atao kitoza dia atapy andro. Efa novontosana sira izy amin’io an.

Azo hamainina koa ny anana mbola manta, apetraka amin’ny toerana maina sy azon’ny rivotra.

Marihina anefa fa, mahasalama kokoa ny anamaitso raha hohanina dieny mbola mandomando tsara

Ny rano : io dia ampangotrahina miaraka amin’ny sakafo, ritina indraindray. Fanaon’ny olona mihitsy io amin’ny hena, raha toa ka tsy misy ny vata fampangatsiahana.

Ny menaka : menaka madio, tahaka ny mena-boanjo na menaka fampiasa amin’ny sakafo. Arotsaky ny olona ao ny legioma, na sakay voatoto (io no tena mahavantana antsika ô ? ;-)

Ny vinaingitra : fampiasa matetika amin’ny legioma koa io, sady matsiro no azo aroso ho tsakitsaky na lasary koa.

Tsy atao amin’ny toerana mando ny tongolo oignon an !

Legioma madio, voasasa tsara no arotsaka anatin’ny vinaingitra. Mety ho manta, toy ny karôty, tongolo oignon, tongolo gasy, sakay isan-karazany, draidraidray. Fampiasa koa io amin’ny cornichon. Mila ampandalovina rano mangotraka minitra vitsy anefa ny cornichon vao atsoboka anaty vinaingitra, ary alona fotoana maharitra vao azo hohanina.

Ny sira : fanampiny amin’ny fanamainana sakafo koa ny sira. Fampiasantsika Malagasy io amin’ny fanamainana trondro toy ny lamorue, na koa amin’ny fanamboarana kitoza samihafa (hen’omby, henakisoa, amalona, sns).

Ny congélation : manaraka fepetra entitra ny fanaovana azy, satria vao mainka loza raha tsy mety ny congélation. Io manko no fomba fampiasa matetika amin’ny sakafo tiana ho tehirizina maharitra, hatramin’ny herintaona raha tena vita tsara io.

Tsara marihina fa mila fitandremana ny fanokafana ny congélateur, ary ilaina ny manara-maso hatrany ny maripana sy ny hatevin’ny ranomandry (givre) ao anatiny.

Ireo fomba samihafa ireo dia ampiasaina amin’ny fitaovana madio hatrany. Raha tsy izany, mankarary indray ny sakafo. Mba mailo hatrany an !



Raha sitrakao ny mandalina ireo teknika rehetra ireo, ATO jerena. 

Dia mirary soa ho anao hatrany an !

Aucun commentaire: