jeudi 3 novembre 2011

Soja, zavamaniry kely nefa dadany hihihi

Sakafo mahavariana raha ity "soja" ity rey olona !

Efa ela ihany no nanomboka nihinana io voan-javatra kely io isika Malagasy, kanefa tsy mety nahazo vahana tanteraka anatin’ny fomba fisakafoanantsika izy io. Mahagaga an !


Azo anaovana ronono, yaourt, mofomamy

Eny, azo anamboarana ireo rehetra ireo ny soja ! Ireny voaniny kely bolitika ireny dia feno otrikaina sady mahavoky. Efa aman’arivo taonany no hanjifan’ny tatsinanana azy io (Japon, Chine, sns) ary miavosa tokoa ireo fomba fampiasa ny soja.

Ny sauce soja izao angamba no fantatsika voalohany, ilay arotsaka mampatsiro ny lasopy vantan mine, miam miam.


Raha mividy soja voaniny ianao, dia alona adin’ny iray anaty rano. Avy eo, afangaro rano ary totoina amin’ny mixer, dia tsihifina tsara ny ventiny. Ny tsiranoka vokatr’izay no ronono soja, ampangotrahy tsara dia mazotoa !

Dia io ihany no ampiasainao rehefa avy eo, tahaka ny ronono mahazatra, mba hanamboaranao yaourt, mofomamy, sauce, sns. Azo sotroina mangatsiaka koa io ronono soja io an !

Matsiro ho an'ny maso izy izany hihihi

Mahasolo ny hena sy ny pâte

Dia marina tokoa izany ! Ilay vokatra atao hoe tofu, efa malaza fatratra any an-dafin’ny Riaka any (Eorôpa sy Etazonia io an) io tofu io, kanefa isika Malagasy mbola votsa amin’izany hihihi

Tsy lafo akory izany tofu izany, nefa azonao anamboarana sakafo tsy hita nonoa, amin’ny tsirony tena mahafinaritra ! Jereo ATO ireo santionany, sady mamantatra ny vitamine sy sira mineraly maro ianao ;-)

Androany aho nahita karazan-tsakafo tsy latsaky ny enina vita amin’ny soja : ao ny nendasina, ao no natao mi-sao, ao ireo nahazo sauce masiatsiaka, ao no matsiro amin’izao fotsiny hihihi

Azo ilaofana tanteraka ireo, ampiana legioma hafa na lasopy legioma, fandrao maina loatra.

Maro koa izahay mpanjifa nihorakoraky ny hafaliana sy hagagana satria tsy nahalala ny hatsaran’ilay sakafo.

Jereo ireto santionany ! Soja daholo ireo an ! mmmhh
 Raha mandalo eto Iarivo ianao, na monina eto, mba mandalova ihany ao Antaninandro, etsy am-pitan’ny Firaisana faha-telo. Sady mitsiky fatratra ny mpivarotra no mavitrika, ary mora ny sakafo soja : 500Ar dia mahazo 100 grs amin’izay tianao ianao. 

Mafana ny andro, 100 Ar dia afaka hetaheta ianao misotro rononon-tsoja hihihi

Mirary soa ho anao, anio tontolo. Mahereza ary mifalia hatrany amin’izay ataonao rehetra an.

Samia ho tahian’Andriamanitra isika mianakavy :-)


Aucun commentaire: