samedi 16 juillet 2011

Lasopy matsiro

Amin'izao ririnina izao aloha, dia mavitrika be ny tenanay amin'ny fihinanana lasopy ! Nanomboka tamin'ny faran'ny herinandro teo manko dia sady naka toerana ny andro mangatsiaka, mandrahona, no mitsoka mafy ny rivotra mamanala. Eny e, mivadibadika eo ihany fa amin'ny ankapobeny dia mamirifiry tokoa ny eto an-drenivohitra, na indrindra amin'ny alina. 

Indro ary ny lasopy matsiro, fihinanay mianakavy. 

Tsotra nefa mampody aina, no sady sakafo mahavoky. Mampiasa irony "cocotte - minute" irony ny fahandroana azy an. 


Ireo akora ilaina :
Tsaramaso lena 1 kapoaka
Karôty 2 
Ovy 2
Tongolobe 1, azo asolo poireau iray

Fanomanana :
Sasana madio avokoa ireo legioma ireo, voasana ary tetehana vaventiventy ny karôty sy ovy (mba misy azo tsakoina).

Voasana koa ary tetehina ny tongolobe. Raha poireau no ampiasainao, sasao maharitra ary teteho tsara, mba tena hadio (mitahiry fasika ireny indraindray an).

Andrahoy mialoha ny tsaramaso, fa elaela ireny vao masaka tsara. 

Arotsahy ao am-bilany ary aloha ilay tongolobe (na poireau voatetika), aleo halemilemy ao anaty rano manarona azy aloha. Raha tianao, azonao endasina amin'ny menaka kely eran'ny sotro. Fa azo ampiasaina tsara koa ny rano raha tsy misy menaka.

Avy eo arotsahy ireo tsaramaso. Ampio rano indroan'ny haavony ao am-bilany, na mihoatra aza. Dia andrahoy 20 minitra rehefa manomboka misioka ny sopapa. 

Sokafy ny "cocotte minute" dia alefaso ao indray ireo karôty sy ovy, ampio sira. Akatony indray, dia 10 minitra eo sisa andrahoina azy, rehefa misioka ny sopapa. 

Matsiro tokoa izao legioma izao an ! 


Sokafy àry ny vilany, dia ankafizo fa tena lasopy matsiro ! Mahavita indroa mihinana io raha ilaofan'ny olona 3 na 4, miaraka amin'ny vary maina maherihery tsara. Mazotoa homana an !

Aucun commentaire: