mardi 12 juillet 2011

VAVAKY NY ZANAKO





Na ahoana na ahoana no fihevitry ny ray aman – dreny, mandray hatrany ny teny aloaky ny vavany ireo zanany. Izany no tsy maintsy hitenenana am – pitiavana amin’ireo zanatsika. Eny, ny teny ambarantsika aminy dia voarakitra ao am- pony tokoa, ka haveriny amin’ireo zanany indray rahatrizay.

Ka mba diniho tokoa ange e ! Moa va tsy efa nandre ireo ray aman- drenintsika namerina fitenin’ny dadany na ny reniny ve isika ? Eny fa na ny fitenin’ny renibeny sy ny dadabeny koa aza ? Na fiteny tsara io na fiteny manafintohina, voaveriny amintsika, na dia amin’ny fotoana hifampitafan’ny mpianakavy fotsiny aza !

Toa izao no fitenin’ny dadabenay….  ny reninay dia manana filaza toa izaroa…. sns…

Fehiny : satria ny teny aloaky ny vava no rakitra ao am- pontsika ao, tsara raha teny (maha) soa no ambara. Midika izany fa rakitra soa no ao am-po.

Indro ary ny vavaka fanaon’ny zanako amin’ny fotoam-bavakay isan-kariva.

VAVAKY NY ZANAKO

Andriamanitra ô,

Misaotra Anao izahay omenao izao fotoana izao, ahazoana mivavaka aminao.

Mifona aminao izahay, Tompo ô, tamin’ny heloka vitanay,

na tamin’ny fiteny, na tamin’ny fihetsika, na tamin’ny eritreritra.

Ampio izahay mba hanao ny sitraponao, ampio izahay hahalala ny sitraponao.

Mamelà ny helokay, Andriamanitra ô. Tahio ny torimasonay, dia tahio koa ny andronay rahampitso.

Apetraka eo am-pelatananao ny fikasanay rehetra amin’izany. Misaotra Tompo ô.

Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy no anaovako izany vavaka izany,

Amen !


Aucun commentaire: