jeudi 14 juillet 2011

Vary sy laoka



Manao ahoana re izany Malagasy tsy mihinam-bary izany e ? Toa velona ihany fa mitsipozipozy ve ?

Rehefa tsy mahavita mahandro, na voatana any ivelan’ny trano, dia tsy mahazo vary sy laoka tena sahaza ny tena. Izany no marina.

Amin’izao vaninandro ririnina izao aloha, dia tsapa fa raha ny eto an-drenivohitra dia mahazo laka ny fisotroana dite, kafe miaraka amin’ny mofomofo isan-karazany ! Adray, tsiron-kanina izany an ! Toa izany koa ny fihinana lasopy, efa ahitana karazany mahavariana dia mahavariana.

Ankoatr’ireo lasopy mahazatra toy ny silamangany, na ny zare, dia ahitana izany "chinoise" izany indray izao. Tsy adino ny lasopy atody an ! Tsisy valaka amin’ny "chinoise" io raha tianao ho fantatra, fa ampiana atody masaka (œuf dur) ao anatiny ! Tandremo fa mifanenjika amin’ny sotro iny rehefa tianao hohanina, mikodiadia ao anaty lasopy ao fotsiny, mba marina !

Saingy ody ambavafo ihany ireny. Tsy mahavita ny andro manontolo fa tapany ihany ! Vary sy laoka ihany no sakafon’ny Malagasy. Raha izaho, dia ankafiziko manokana ny ron’akoho amin’izao andro mamirifiry izao. Mampody aina ery, eny fa na dia ny fisian’ny sakamalaho fotsiny aza dia efa fahasalamana tokoa.

Samia mitaiza tena fa mbola maharitra ny fanala e !

Dia enga anie ka ny Tompo Andriamanitra  mba hanome ny vary sy laokany sahaza azy avokoa ho an’ny Malagasy rehetra, ary hisakafo tsara koa ny olombelona tsy ankanavaka. Tsy aritra fa mila mivavaka tokoa isika mba hisakafo tsara ny olona moa ô ?

Aucun commentaire: