mardi 20 septembre 2011

Legioma sy macaronis

Fahandro indray no aroso ho antsika anio, sakafo mora atao no sady mahavoky. 

Legioma sy macaronis no atokona, vetivety dia vita satria atao mantamanta ny legioma. Sakafo tsy matavy io an, nefa matsiro ihany ! Tsy misy vary io an, kanefa sakafo feno ihany hihihi



Ireo zavatra ilaina (ho an’olona roa) :

 

Pâtes macaroni 250 g
Karoty 2
Courgette 1
Tongolo oignon 3
Zava-maitso hafa : persil, tongolo maitso
Atody 1 (na fangaro hafa izay tiana : hena, charcuterie, sy ny sisa)

Sira, menaka



Fomba fahandro :

Ho an’ny macaronis manokana, dia misy toromarika ny fonony. Rano 1 litatra no sahaza ho an’ny macaroni 100g. Mampangotraka rano 2,5 l isika izany raha 250 g ny macaronis ampiasaina. Asiana sira sy menaka kely io rano io. Dia rehefa mangotraka tsara, arotsaka ny macaronis, aroharohana tsindraindray. 8 minitra dia masaka. Tsihifina ary kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Manala ny maditidity amin’ny macaronis izany., fa tsy voatery atao tsy akory.

Ireo legioma indray dia mora amboarina koa.
Sasana madio tsara ny karoty sy courgette. Voasana dia silahana fisaka ny karoty, atao vaventiventy ihany ny courgette (tsy voasana an). Silahana fisaka kely koa ny tongolo oignon na tongolo be. Toraka izany koa ny persil sy tongolo maitso, ary tetehina madinika ireo, ary atokana amin’ny fitoerana hafa.

Kapohy dia endaso ilay atody, atao omelette izany. Silahana madinika kely koa iny.

Atao mantamanta ny legioma an 
Asio menaka kely ny vilany iray, ary arotsahy ao ny tongolo oignon, karoty sy courgette. Aroharohy matetika, ka rehefa masamasaka (fa tsy masaka be an) ireo dia vita. Afangaroy amin’ny macaronis efa notsihifina, afanao kely dia arosoy. 

Rarahana eo amboniny ny atody, ny persil sy tongolo maitso voatetika madinika.

Ny ahy manokana dia céleri manta no nohaniko tamin’io nahandro io. Matsiro ihany koa an !

Marihina fa azo atao ny manisy dibera na margarine amin’ny macaronis hafanaina, na koa mandraraka fromage râpé eo amboniny. Azonao atao koa izany mampitombo ny tsirony.

Dia mirary anao hazoto homana hatrany. :-)


Aucun commentaire: