jeudi 22 septembre 2011

Fiteny somonga ve ?

Mampihomehy (sady mampieritreritra) indray ity ifampizarana amintsika ity.

Matetika moa eny an-dalambe na any anaty fiara fitaterana dia ahenoina resaka mahatsikaiky. Tahaka ireny mpampiady akoholahy mifampivarotra akoho, ohatra.



Ity resaka iray ity indray dia mpamily taxibe iray, miandry mpandeha eo amin’ny fijanonana. Misy olona mifamaly any ivelany, misangisangy kanefa mampiasa teny mahery.

Nihiaka tampoka ny iray hoe :

"T…. hohanina !"

Tafintohina ihany ny tena mandre izany, fa ilay mpamily fiara namaly tsy taitra tamin’ireo hoe :

"Fangaha izany fihinana ?!!"

Dia mila lanjalanjaina tokoa ny fiteny an !



Ity resaka hafa ity indray , nisy ireto tanora mampiasa fiteny frantsay, sorena sa maninona angaha, ka tafateny hoe :

"M…. !"

Dia mba novalian’ny renibeny hoe :

"Ao am-bavanao."

Ahitana fahendrena tsy ampoizina ihany ireny valinteny ireny an ! Tsy mahate-hiteniteny foana raha mandinika hihihi


Aucun commentaire: