mercredi 3 août 2011

Mpampiady akoho anaty fiara….

Mahatsikaiky tokoa ny fandehanana amin’ireo fitateram-bahoaka eto Antananarivo. Dia ahitana karazana olona, sady ahenoana hira, resaka, fiainana samihafa e ! Raha sendra fitohanan’ny fifamoivoizana aloha, dia mahafak’andro tokoa an !

Ndryyy ity reniakoho mpiaro fatratra ny zanany ô…


Omaly izao dia mpampiady akoholahy no sendra ahy. Ny iray, mitantara ny fanambakàna saika nahazo azy, ny andaniny kosa mimenomenona amin’ny akohony tsy mahafa-po.

Hoy ity voalohany : "Akoho hafa no nentin’ilery taty amiko fa tsy ilay novidiako ! Tsy matoky an’iny intsony aho"

Hoy indray ity faharoa : "Ny ahy ilay akohoko iny efa tsy mahavoa, fa hohaniko ! Htaoko laoka amin'ny alahady fa tsss... !"

Taitra ilay voalohany ka nanontany : "An ? Sao dia tokony hovidiako izany fa aza hohanina !"

Dia hoy itsy : "Sssh, akoho efa tss… Ataonao hoatrinona anefa ?"

--An-an ! Amidinao hoatrinona ? Ianao izao no mahafantatra koh…

++Ianao no hividy koh ! Hoatrinona hoy ianao ?

--Aaa… manao ahoana raha vingt-cinq ?

++(Mihomehy) Sao dia vidin’ny hena fotsiny izany ?

Farany ho’aho, tonga amin’ny alehany ka nidina ny fiara iry mpividy akoho, nanombana hoe 15 000 Ar (soixante-qunze hoy izy) sady nihomehy. Dia asa izay fotoana mbola hanohizan-dry zareo ny varotra !


Ilay saika hihinana ny akoholahy mpiady tena tsy faly amin’ilay akohony mihitsy angamba ô ?

Aucun commentaire: