dimanche 31 juillet 2011

Fa maninona no mifona kay ?

Nahoana tokoa no mifona rehefa mivavaka ? Inona no hevitr’izany ? Dia iza no mamela ny fahadisoantsika ?

Mba nandinika maharitra ny zava-misy eto ambanin’ny masoandro aho, eny, tahaka an’i Solomona, zanak’i Davida. Tsy hoe akory hanana ny fahendren’i Solomona aho an (hihihi), fa ny olombelona rehetra kosa tokony mba handinika e !

Ary ny tenany, ny teniny, ny eritreriny sy ny fihetsiny no tokony ho dinihan’ny olona tsirairay avy voalohany. Tsotra ange ny atao e ! Fanontaniana fotsiny hoe : Mifanaraka amin’ny eritreritro ve ny teny ambarako sy ny fihetsika ataoko ?

Mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava manko, ka ny atoron’ny molony hafa, ny tondroin’ny tanany hafa !

Ka inona ary no atao, mba hirindra ny teny, ny fihetsika, sy ny eritreritra ?

Io eritreritra io aloha, raha ny hevitro, no tokony ho tsara tefy. Miainga amin’ny fanahy, mifototra amin’ny fiainam-panahy milamina sy tena tia ary velona miaraka amin’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Fa nahoana ? Tsotra sady marina ny foto-piainana sy foto-pisainana nasehony antsika ange e !

Tiava an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fonao manontolo, ny fanahinao manontolo, ny sainao manontolo, eny, tiava Azy amin’ny tenanao manontolo. Izy no laharana voalohany amin’ny fiainanao satria noariny tahaka ny endriny ianao olombelona. Tsotra kely ô ?

Faharoa : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izay no didy faharoa lehibe natoron’i Kristy antsika. Nahoana indray ary ? Ka satria ilay namanao iny koa ange ka endrik’Andriamanitra tahaka anao tsy misy valaka e ! hihihi, tsotra ihany koa ô ?



Dia tonga indray ary ny fanontaniana hoe, inona ary no ifonanana ? 

Maninona ny eritreritra, ny fihetsika, ny teny ? 

Ireto farany ireto dia vokatry ny fiainantsika olombelona. Mifandray amin’ny mpiara-belona isika amin’ny alalan’ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Diniho kely aloha izany, hatraiza no mahamarina an’io.

Koa, raha misy ny fahadisoana vita amin’ny tenanao, na amin’ny hafa, dia amin’ny alalan’ny eritreritra, fihetsika ary teny no mahatanteraka io fahadisoana io. Sa tsy izay ?

Hany ka izany no ifonantsika tokoa, rehefa mivavaka. Tsy mahasoa antsika na ny mpiray monina antsika ohatra ny eritreritra hafahafa (fitsiriritana na fanambaniana), na teny manafintohana na koa fihetsika mamohehatra. Mifandray avokoa ireo.

Raha manitsaka tongotr’olona tsy nahy ianao, avy hatrany dia mahateny hoe "azafady !" na hoe "miala tsiny !" satria mba tsara taiza ianao. Ary mba sitrakao koa raha ialan-tsiny tahaka izany ianao raha ianao no sendra voahitsaka hihihi



 Mety tsy tsaroanao anefa ny fahadisoanao sasany, na tamin’ny tenanao na tamin’ny hafa. Dia izay no antony hifonana hatrany rehefa mivavaka. Izany rahateo koa no atoron’i Kristy antsika ao anatin’ny vavaka nampianariny antsika : "Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay ireo izay meloka taminay"…

Midîka koa izany fa mila mamela ny hafa isika an ! Tsy mitahiry lolompo, hatezerana, fankahalana, sns. Manavesatra ny fo amam-panahy fotsiny izany, ary manaboda ny saina. Ianao foana no mimenomenona irery eo, fa rehefa voavelanao ny hadisoan’ny hafa, ooooh… Maivamaivana ery ! Satria fantatrao koa fa voavela tahaka izay koa ny fahotanao. Mangataha, mifonà amin'Andriamanitra, amin'i Kristy, fa Izy no mamela anao. 

Andramo ihany e ! Dia mahaiza mifona an !

Samia ho tahian’Andriamanitra isika jiaby rô !

Aucun commentaire: