vendredi 5 août 2011

Tsinambolana sy havizanana

Valaka aho, vizana aho, malaindaina aho izany, tsy mahazo aina aho izany…. Zovy no tsy mbola nahatsapa izany toe-batana "hafahafa" izany e ? Indrindra rehefa tsinana Ravolana hihihi





Mahagaga tokoa fa manamarika zavatra maro amin’ny fiainana eto an-tany io volana tazantsika io an. Manova ny fiakaran’ny ranomasina ohatra….Ifantohan’ny olona koa rehefa mampiasa ody kankana…. Dia ao koa ireo mpamboly mandinika ny fiposahan’ny volana hanatanterahana fambolena manokana, sy ny maro hafa e !

Eny, maro ireo poety, na Malagasy na vahiny no efa voababony ka nahasoratra hira na tononkalo manambara ny volana eny an-danitra… Ho antsika Malagasy koa, raha ny fanandroana (fanisàna andro), dia io volana io no nifotorana, fa tsy mba ny masoandro.

Ary misy manambara fa ny andro voalohany mahatsinana ny volana dia mamizana, eny mahatsiaro ho lanaka sy valaka manokana hono ny olombelona. Marina tokoa ve izany ?

Io aloha dia zavaboarin’Andriamanitra tahaka antsika ihany, mifandray amin’ny voahary rehetra, ka iza no mahita ? Iza no mahalala ?


Aucun commentaire: