samedi 6 août 2011

Vahaolana amerikana

Voalamina hatramin’ny taona 2013 ny resabe momba ny trosa amerikana !





Dia milamindamin-dratsy indray izany ry zareo amerikana, fa hay afaka nifanaraka ihany ny tao amin’ny kongresy sy ny senat ary ny Filoha Obama.

Inona moa fa dia nampiakarina indray ilay hoe faratampon’ny trosa, ka tonga amin’izany hoe 2 100 lavitrisa dolara. Nanomboka tamin’ny talata teo faha – 02 aogositra 2011 izany dia afaka misambotra vola indray ny Tahirimbola amerikana.

Etsy andaniny, miezaka hampihena ny fandaniany ny firenena amerikana, hatramin’ny 1 000 lavitrisa dolara no kendrena, eny hatramin’ny 1 500 lavitrisa aza raha azo atao.

Anisan’ny nokendrena, tamin’ity vahaolana ity, ny tsy hahabankiropotra ny Tahirimbola amerikana hatramin’ny 2013, sitrany hahay mbola afaka milatsaka amin’ny fifidianana amin’iny taona 2012 ho avy iny ny Filoha Obama.

Ka na iza na iza moa no mitondra eo na milatsaka amin’ny fifidianana, inona moa no hampihena ny trosa amerikana ? Dia mbola gaga foana ny tena amin’izao miliara (lavitrisa) dolara tononina sy raiketina amin’ny fomba tsotsotra kely fotsiny.

Dia asa indray izay ho tohin’ny tantara, fa atsy Eoropa koa manko dia hafa kely ny fitrangany. Taorian’ny firenena grika, espaniola, portugay ary irlanday tokoa dia ny ao Italia indray no mahita faisana ao amin’ny resaka trosa sy ny vola euro.

Resa-bola sy sora –bola vaventy daholo izany, miha-mahantra avokoa ny firenen-drehetra, noho ny trosa tsy maintsy aloany tsirairay avy, na firenen-dehibe na firenena madinika. Ny vokatra azo tsy mitoetra fa hanefàna trosa. Hafahafa an !

Aucun commentaire: