lundi 1 août 2011

Voamadilo sy mokonazy

Tonga indray ny volana aogositra ! Maro no zavatra banjinintsika amin’izany : ao ny mpianatra mbola hanala fanadinana, ao ny miomana amin’ny fialan-tsasatra, ao koa ireo tsy afa-manaotra fa tsy maintsy miasa.


Ny tsapa aloha dia efa tonga eto Antananarivo ireo vokatra manamarika ny vanim-potoana jolay sy aogositra isan-taona. Ny voamadilo sy mokonazy no ambara eto.

Raha ny voamadilo aloha dia efa mahazatra ny maro ny misotro azy toa ranomboankazo. Ao no manao azy ho confiture, ao no mihinana azy miaraka amin’ny sira, na sakay (dray dray dray !)

Mahafinaritra e, manamarika fotoana amin’ny alalan’ny vokatra samihafa avy eny an-tsaha. Aza adinoina ny fraise fa mbola maromaro koa ireo amin’izao an !

Aucun commentaire: