jeudi 4 août 2011

Fifehezan –tena

Nanomboka ny alatsinainy teo ny volana masina Ramadany ho an’ireo mpino silamo, na eto amintsika na maneran-tany.


Izany dia fotoan-dehibe fifantohan’ny vahoaka silamo amin’ny soratra masina ao amin’ny Korano. Fotoana fifehezan-tena rahateo koa io, satria tsy omana sakafo, na misotro rano mandritra ny andro manontolo ny silamo manaraka ny Ramadany. Rehefa dila ny masoandro vao misakafo ry zareo. Mampiorina finoana sy vavaka izany rehetra izany.

Ankoatra izay, ny fanatanterahana asa soa sy fifanampiana koa dia isan’ny voizin’ny finona Silamo mandritra ny volana masina Ramadany. Ao ny fanolorana fanomezana ho an’ny mahantra, ny fanampiana ny tanora na ny ankizy amin’ny fianarana, sy ny maro hafa.

Soa fianatsa rô mahavokatsa. Tsara tokoa raha mba mahatana fifehezan-tena isika tsirairay avy, eny, na tsy Silamo aza. Eny tsy voatery koa ho amin’ny sakafo ihany, fa amin’ny lafim-piainana rehetra.

Fifanajana, teny ierana, fifanampiana, mahasoa ny mpiara-belona sy ny tenantsika izany.


Aucun commentaire: