vendredi 2 décembre 2011

Délestage tsisy ohatr’izany

Maizina tokoa iny 01 desambra 2011 iny teto Iarivo sy ny manodidina an ! 

Houuuu ! tsy nisy ohatr’izany rey olona â ! Efa mila ampiteny ny moana, marina mafy !

Nanomboka tamin’ny talata dia mijijy "délestage" ny mponina. Mitaraina ny mpanjifa e !

Labozia maro no namana amin’ny alina !
  
Efa adin’ny dimy isan’andro ny fahatapahana

Marina fa isan’andro, hatramin’iny volana oktôbra sy nôvambra iny, dia efa nitranga foana ny fahatapahan-jiro, noho ny tsy fisian’ny rano.

Tsy milatsaka tokoa ny orana aty Madagasikara, ka ritra e ! tena ritra ny rano mandefa ny milin’ny JIRAMA any Mantasoa, Andekaleka, sns.

Izany hoe mila manapaka ny jiro matetika ny orinasa JIRAMA satria tsy zakan’ny fitaovany intsony ny filàna herinaratra ho an’ny tambazotra mamatsy an’Antananarivo sy ny manodidina hatrany Antsirabe (io ilay ataony hoe réseau interconnecté).

Dia niharitra ny olona eo anatrehan’ny "délestage" tsy misy farany. Eny akory atao moa ?

Sahabo teo amin’ny adin’ny roa isan’andro no fisian’ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra izay volana nôvambra izay. Nanomboka ny talata teo dia misesy izany : mbetika maraina, ary tsy maintsy misy amin’ny alina. Adin’ny roa ora sy sasany avy ny fahatapahana, izany hoe mitotaly ho adin’ny dimy anatin’ny iray andro.

Anisan’ny biraon’ny JIRAMA eto Antananarivo izao an !

Ny faktiora tsy miova fa mavesatra foana

Mangidy amin’ny olona ihany izany, satria ny fitakiana vola ataon’ny JIRAMA amin’ny mpanjifa dia tsy miova an ! Mihalafo hatrany, ary ho an’izay tsy mandoa vola ara-potoana, dia tapahany faingana ny famatsiana herinaratra ao an-tranony. Tsy mba misy hatak’andro !

Ankoatra ny fitakiana faktiora efa tamin’ny taona maro efa tsy fantatra, ary ity mihitsy no mahagaga ny ankamaroan’ny mpanjifa izay iharan’izany. Ny sasany dia vola tamin’ny dimy taona lasa no takiana, nefa nahoana no izao vao miseho izany ? Maro ireo antony tsy mahafaly ny olona amin’ny ataon’ny JIRAMA.

Faritra tahaka ny Cité 67Ha izao dia betsaka
ireo cyber nitaraina fa simba fitaovana

Ny fitaovana maro no simba 

Ireo orinasa madinika tahaka ny "cyber" fanaovana "Internet" na "photocopie", na asa maro isan-karazany mampiasa herinaratra dia mijafajafa mihitsy amin’izao. Tsy azo ampiasaina ny vata fampangatsiahana fa sao simba ny sakafo tehirizina ao. Maro no efa nitaraina tamin’ireny fahatapatapahan-jiro teo aloha ireny an !

Ny fianaran’ny kilonga toy ny famerenan-desona amin’ny hariva dia e- e- e ! Mampiasa labozia tahaka ny tamin’ny andro fahagola, andray !

Ary ny fandriampahalemana ? Maizina dia maizina ny tontolo amin’ny alina, mety hampirongatra ny asan-jiolahy ! Sady tsy mahare vaovao ny olona satria tsy misy radio, tsy misy fahita lavitra azo alefa kouh ! Fanampin’izany tsy manolo fitaovana simba akory ny JIRAMA !

Lava be ny lisitra raha tohizina, fa aoka hijanona eo.

Omaly 01 desambra dia adin’ny dimy angamba no nahitana herinaratra hihihi.

Nisy orambaratra mavesatra be omaly tolakandro, saingy tsy voajanahary fa orana namboarina ilay izy (JIRAMA sy Météo Malagasy io an). Tahaka ireo filatsahan’orana in-droa nisesy nandritra ny volana nôvambra 2011 lasa teo.

Ny an-tanan-dehibe maizina noho ny tsy fisian’ny jiro, ny ambanivohitra tsy afaka mamboly araka ny vanim-potoana tokony ho izy….. Oadray ! Oadray !


Mampieriteritra izany rehetra izany rey olona â ! Nahoana no miantona tahaka izany ny ranon’orana an ?

Efa maro loatra ny fahasimban’ny toetr’andro, vokatry ny ataontsika olombelona ihany.

Samia manatanjaka saina, vatana, fanahy ô. Samia manatsara ny ataony aby ô ! Dia misaotra sahady ny lanitra mba hiantra ny Malagasy. Homba antsika anie ny Tompo Andriamanitra an !

Samia tsara e ! hihihi :-)


Aucun commentaire: