dimanche 31 juillet 2011

Ingahy Obama miatrika ny trosa amerikana

Izany ka tsy mampino an ! Hay ity firenena amerikana lanjaina avo ho matanjaka eto an-tany dia mba bokan’ny trosa ihany koa !

Hanko va re tsy anjaran’ny firenena mahantra tahaka antsika sy Afrika no mibaby trosa be ? ! Dia midonaka mihitsy ny Gasikely mahare izao vaovao izao hoe : tsy afa –mandoa vola intsony ry Etazonia amin’ny datin’ny faha- 2 aogositra 2011 izao raha tsy mandray fepetra ny ao amin’ny Kongresy amerikana !

Fa ahoana no mahatonga izany ?

Misy fetrany ny trosa zakan’ny Tahirim-bola amerikana, ary efa nampiakarina hatrany io fetrany io. Kanefa amin’ny talata 02 aogositra izao, araka ny ambaran’ny fampahalalam-baovao sy ireo mpahay toekarena, dia tampina io fe-potoana tokony handoavan’ny Etazonia ny trosany. Vola tsy hita pesipesenina ange izany rey olona e ! 

Rehefa te –hampitombo ny volany ny Tahirim-bolaamin’ny firenena iray, tahaka ny fanao eto amintsika koa, dia mamoaka irony "Bon du Trésor" irony.

Ka ry zareo Japoney no tena mpividy ny "Bon du Trésor" amerikana. Iaraha-mahalala anefa fa noho ny tsunami nitranga tao Japon ny 11 martsa 2011 teo dia tsy laharam-pahamehan’ny Japoney velively ny "Bon du Trésor" amerikana. Ny fanavotana an’i Fukushima sy ny vokatry ny fiparitahan’ny uranium aloha no maika !

Ankoatr’izay, ny Kongresy amerikana dia tsy manolotra vaha-olana amin’Ingahy Obama hatramin’izao, satria firehan-kevitra pôlitika mifanohitra ny azy sy ny Filoha amerikana. Raha difotry ny trosany anefa ny Etazonia, dia ho krizy ara-toekarena eran-tany tsy misy toa izany no hitranga, satria ny vola dolara heverina ho devizy matanjaka eran-tany no indray mirodana, ho lasa vola baoritra !

Mahafantatra izany tsara Ingahy Obama, ka mbola manentana ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy mba hibanjina ny tombontsoan’ny firenena amerikana, mialoha ny firehana pôlitika(*)….. Dia miandry aloha isika, fa dia fifandresen-dahatra lavareny no mitranga any an-dafin’ny Riaka Atlantika any aloha…





Dia mahatsiaro tokoa ny bokin’Atoa Rainijaonary aho, mitondra ny lohateny hoe "Ny trosa manandevo no fahavalo, Fa tsy ny fahantrana". Mbola tantara hafa mihitsy izany, satria ny firafitry ny sehatra ara-bola sy ara-toekarena maneran-tany mihitsy no sampona e !

Manantena isika fa hisy ny hevitra mahasoa hiposaka e ! Na izany aza, dia samia mivonona hiatrika izay fisehoan-javatra rehetra an.


(*)  Moa va tsy izany koa no teny lavareny eto amintsika fa e ! e ! e ! Mihodinkodina eto isika mianakavy, mihodinkodina leisy â ! hihihi

Aucun commentaire: