jeudi 18 août 2011

Ny trosa eran-tany

Napetratsika vetivety ny tafa momba ny trosa eran-tany, mahakamo manko izany resaka izany. 
Kanefa, tsy azo odian-tsy hita io toe-draharaha io, satria misy fiantraikany ihany aty amintsika, na dia atao hoe tsy mivantana be aza. 

Amin'ny volana septambra 2011 no hanolotra drafitra vahaolana Ingahy Obama (Sary Reuters)
Ny faramparan’ny volana jolay teo manko, niantso mafy ny tao amin’ny Parlemanta amerikana ny Filoha Barack Obama mba hanolotra vahaolana matotra sy maharitra hanavotana ny Tahirim-bola amerikana. Hay moa ireto Etazonia ireto ka bokan’ny trosa be ! Efa mihoatra noho ny 14 000 miliara dolara ny trosany, oadray !

Ny firenena sinoa no tompon’ireo vola ireo, amin’ny ampahany betsaka indrindra. Hanko va re ?

Mahagaga an, fa dia i Chine izay ambaran’ireo firenena tandrefana rehetra fa tsy manaja ny zon’olombelona e, mila manatsara an’izato sy izaroa e… hay resa-bola koa no betsaka ao an-damosin’izany hihihi

Tsaroana tampoka koa eto Ingahy Sarkozy, filoham-pirenena frantsay, anisan’ny mavitrika be amin’ny fanafihana any Libye. Raha zahana ny tantarany anefa, vola avy amin’Ingahy Kadhafi no anisan’ny nanatanterahany ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tany Frantsa tamin’ny 2007, nandreseny an-dRtoa Ségolène Royal….. tsss….

Na izany aza, ho an’ny amerikana ankehitriny dia milamindamin-dratsy ihany, satria tsy nahazo naoty tsara ry zareo. Very manko ilay hoe "AAA" milaza fa tsara tantana ny fireneny, araka ny nandinihan’ny Standard & Poor's azy. Dia miahotra indray ny eoropeana sao voakitika amin’izany indray ry zareo, momba ny vola euro….

Ato ny ambangovangony momba ny trosa sy ny krizy any Etazonia...


Anisan’ny ambaran’Ingahy Rainijaonary ao amin’ny bokiny hoe " Ny trosa manandevo no fahavalo fa tsy ny fahantrana" ny mikasika izany rehetra izany. Amidy ao amin’ny Fivarotam-boky Loterana na Tranomprinty Loterana, Antaninarenina, Antananarivo, io boky io. 

Ho antsika Malagasy monina eto Madagasikara, dia mba mamporisika koa aho ny hamakiana io boky io, fa manolotra vahaolana ho antsika manko ny mpanoratra. 

Na mahakamo aza ilay resaka dia ilaintsika ny mandalina azy. Tsy arakaraka ny maha-"mahantra" antsika manko no itondrana ny raharaha eto amin’ny firenentsika, fa fitsipi-dalao voretra, nofaritan’ny tany ivelany…

Mahavariana tokoa an, rehefa mihaino ny vaovao eto amintsika, tsaroana mihitsy fa tokony ho velon-tena soa aman-tsara isika Malagasy, nefa e-e-e ! Misy mbola te-hiankin-doha amin'ny any ivelany foana hihihi

Azo atao tsara ange ny mifanaraka tsara e : tsy misy manambàka, tsy misy voambàka....

Aleo hatreo aloha ny amin'izay. Amin'ny manaraka indray manampy hevitra hafa :-)

Izay ary an, samia mavitrika hatrany isika amin’izay atao, dia mazotoa an !

1 commentaire:

Anonyme a dit…

Nisy namana napindrana ahy ny bokin'ito mpanoratra voalaza etsy ambony io: Ingahy Rainjaonary: "Misy ambadika ny fanjakana laika sy ny Fanatontoloana".

Teo ampamakina dia hita fa betsaka ny zavatra azo hiadian-kevitra tanteraka lazain'ito mpanoratra ito! Afaka manamarina izany ny mpamaky tsiraidray. Tsy hoe diso daholo izay lazainy, fa sarona ressenti ny tsy maha tena objectif an'ilay boky. Betsaka ny tantara diso, ny fanamaritana diso, ka mahatonga ny basin'ilay hevitr'ilay boky ho diso na dia ahitana harena historique en apparence ary ilay izy. Hoan'ny mpamaky, dia hoy aho hoe:

1- C'est en connaissant tout les faits que l'on peut forger son opinion.

2- Il ne faut jamais perdre son droit d'examen.

Aza manaiky resy lahatra comme ça! Fantaro ny zavatra rehetra fa samy "nianatra" avokoa.

Io boky io, amiko, satria mety mba mpikaroka kely hiany koa aho...dia c'est juste une opinion et rien d'autre ka tsy manana valeur sure sy ho considérena ho vérité absolue, noho izy basé amin'ny ressenti, sy erreur historique be dia be! Anatin'ny page anakiray ahita erreur historique 2 farafahakeliny. Izany akory tsy midika hoe diso daholo izay voalaza ao.