Amin’izao
29 martsa izao, tsy hay adinoina ny zava-nitranga tamin’ny taona 1947.
Raha alefa lavitra kokoa ny saina, tonga hatramin’ny hoe fa dia maninona
no toy izao ity firenentsika ity ? Ho aiza ary isika mianakavy ireto ?
![]() |
Lapan’ny Tanàna
Antananarivo, 2011
|
Tantara
mbola tsy fantatra
Ambara fa taranaka mpiavy isika ireto, marina tokoa izany amin’ny
ampahany. Nisy olombelona ihany teto talohan’ireo mpiavy samihafa. Vazimba ve ?
Maninona moa raha izany no izy. Tsara ny mikaroka, mandalina.
Hoy manko ilay mpanakanto izay hoe : "Hafahafa ity Madagasikara
ity, lazaina mahantra nefa manankarena". Marina loatra izany !
Ananantsika ny ranomasina sy ny hareny, ananantsika ny volamena sy vatosoa,
sns.
Misy tsy milamina eto, ara-tantara, ara-kolontsaina.
Zaraiko aminao ny hevitr’i FAnambinana MAdagasikara :
![]() |
Firavaka vita amin’ny
vatosoa malagasy….
|
Ny hoavy
manao ahoana ?
Nankalaza ny Taombaovao malagasy isika tamin’ny 21 martsa 2015 teo, saingy
mbola marefo eo amin’ny fiaraha-monina ny akony. Mba inona ary no tena
irintsika Malagasy e ?
Ankehitriny dia miara-mizotra eto avokoa ireo karazana kolontsaina samy
hafa. Ao ny teknôlôjia avo lenta, tsy misy maharatsy azy raha ampiasaina
ampiakatra ny lentan’ny saina amam-panahy (saingy indrisy, firy no manao izany ?),
ao koa ireo mbola mitana sy mamelona ny maha-malagasy. Fa inona anefa ilay hoe
Malagasy ?
Isika ihany no mandrafitra ny hoavintsika. Ka ireto fanontaniana ireto no
mila valiny, avy amiko, avy aminao, avy amin’izay rehetra mahatsiaro ho manana
fototra sy faka ary vahatra eto Madagasikara.
Isika dia mikendry :
Fiaraha-monina tahaka ny ahoana ?
Fanabeazana mitondra mankaiza ?
Asa fivelomana manakory ?
Sy ny hafa…..
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire