samedi 20 août 2011

Mozika avy any an-dafin’ny Riaka….

Mandalo eto amintsika isan-taona ny ankamaroan’ny Malagasy mpiangaly hira sy mozika any ivelany. 

Misy indray mpanakanto izay re ny sangan'asany, kanefa tsy manao fampisehoana firy...

Ireo ny mpitendry ao amin'ny Fossa b.

Anisan’ny maro mpankafy, any ivelany, ireto tarika roa ireto, dia nNPROJECT andaniny sy Fossa b. ankilany.

Ny ifandraisany dia i Miasy Raoloson, Malagasy mpitendry gitara bass. Eo am-piandrasana vaovao momba ireo tarika roa ireo isika, fa ankafizo aloha ny santionany amin'ny zavabitany....

"first steps", raki-kiran'i nNPROJECT 2006

Aty pihana ho an’i nNPROJECT, "début" ao amin’ny raki-kira “first steps”. Ny MadaJazzcar 2009 raha tsy diso fitadidy aho, dia teto ny nNPROJECT, tsidim-pahitra ireny raha ny marina an hihihi 

Ankafizo aloha, dia raha vao mandre vaovao isika dia ampitaina eto ihany...

Mazotoa indray ary ô !..



Aucun commentaire: