dimanche 14 août 2011

Méditation manasitrana ?

"Méditation !....Méditation !...." hoy ny hiran’i Sareraka. Hay moa ity "méditation" ka tena fomba iray azo itsaboana aretina samihafa ? ! 

Dia miala tsiny aloha fa ho "vary amin’akotry" ity resaka ity fa tsy mbola hain’ny tenanay ny fandikana ny "méditation" amin’ny fiteny Malagasy madio….

Raha ny fahalalan’ny besinimaro azy io amin’ny ankapobeny manko dia ny mpivavaka na manao irony siansa maizimaizina irony no mampihatra ny méditation.


Any an-dafin’ny riaka any anefa dia efa nandinika ny mpahay siansa fa afaka manatsara toe-pahasalamana io méditation io. Tsy misy resaka finoana na fivavahana, fa ara-batana tsotra izao. Fanazarana ny fiasan’ny atidoha ny méditation, hoy ny famaritan’ny mpahay siansa.

Manatsara ny fitadidiana io, manala ny stress, mampidina ny tosi-drà, mampihena ny faharariana, manatsara ny fiasan’ny atidoha… andray !

Mazava koa anefa fa, tsy afa-misaraka amin’ny fombam-piainana mirindra ny fanaovana méditation, raha tahiny ka tiana ho tsara ny vokatra, dia ny fahalavorarian’ny fahasalamana izany.

Inona no atao ?
Maha-te-hiteny hoe tsy misy na inona na inona atao hihihi. Saingy tsy izay ilay izy.

Sary Passeport Santé
Mitomoetra tsara no atao voalohany, mipetraka amin’ny tany, amin’ny efitrano mangina, milamina, madio, tsy misy mpanakotaba. Afaka mandefa mozika malefaka, mampihintsana ny tabataba ao anatin’ny tena (ao anatin’ny saina).

Ny "position du lotus" no tena fanaon’ny olona, izany hoe, miforitra ambanin’ny fe ny voditongotra, mahitsy tsara ny lamosina, miaina tsara, milamina….mandamina….. Tsy mieritreritra na inona na inona, afa-tsy ny filaminana anaty….

Mbola misy fandalinana famenony ilaina hono momba ny endrika fitsaboana avy amin’ny méditation, hany ka mizarazara hevitra ihany ny mpandinika amin’ny maha-azo antoka na tsia ny méditation ho fitsaboana tanteraka ny aretina sasany.

Na izany na tsy izany, efa mahazo vahana mihitsy any ivelany any ny "méditation zen" fanaon’ny indiana sy japoney ary ny Qi gong avy amin’ny sinoa.


Aucun commentaire: