mardi 16 avril 2013

Mampihomehy, mampieritreritra !

Impiry tokoa moa isika, amin’ny andavanandrontsika, no sendra tranga mampihomehy na mampieritreritra ? Tsy hay isaina ô ? Ireto àry mba misy tsikitsiky (na hehy) ifampizarana aminao.




Anaty fitaterana, matetika, dia misy fisehoan-javatra samihafa ;-)
Lasantsy, gazoala, sa rano ?
Eto amintsika moa dia fanaon’ny mpitatitra, na dia efa noraràna aza, ny mividy solika amin’ny "bidon". Tsy avy hatrany dia arotsaka manko iny fa andrasana lany ny ao anaty fiara vao ampidinina….
Indray hariva, azo heverina fa tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana (embouteillage), dia naniraka olona ity mpamily taxibe mba hividy gazoala. Rehefa niainga ny fiara ka lasa lavidavitra, dia nanontany ny resevera (receveur) tampoka ilay mpamily :

-- Ô lehity â ! Toa lasantsy ange izany novidin’ilehiry izany e !

-- Lasantsy ve ?Oadray !

Nihomehy mangina ny mpandeha, sady nifanaretsaka hoe : "ahoana koa izany ?.... Gazoala no ampiasain’ny fiara diesel ka tsy mety raha lasantsy ! ….Dia atao inona io lasantsy io ? Tsy azony ampiasaina akory !........ Ny lasantsy aza lafo noho ny gazoala koa no tsy hitany ?"

Roso ihany ny dia, ary rehefa sendra fiatoana (arrêt) iray, dia naharitraritra ny fijanonana. Namoha ny "capot" ilay resevera ary nampidina zavatra tao. Niainga indray ny fiara. Lasa kelikely dia niantso azy indray ny mpamily :

-- Ary hono ho’aho, mbola misy rano angaha ao ?

-- An-an, tsy misy intsony kah !

Mandeha ihany ny fiara. Mandritra izany fotoana rehetra izany dia misy mpandeha midina, misy ny miakatra. Nanontany indray ilay mpamily :

-- Ô lehity â ! Sao dia ilay lasantsy no nampidin’ialahy teo ?

Fohy hehy tampoka, niaraka tamin’izay ity raim-pianakaviana teo akaikiko. Ilay nijanona elaela iny izany dia tokony ho rano no nampidinina tao anaty "radiateur", saingy tsy fantatr’ilay mpamily intsony angamba izay niseho, satria nidona-tsetroka ilay fiara. Sady te-hihomehy koa ny mpandeha hafa no natahotra ihany, satria niaraka tamin’izay dia nihamatroka tanteraka ilay fitaratra "pare-brise". Tsy hita intsony izay lalana andehanana ! Nikoropaka namafy azy tamin’izay taratasy hitany ilay mpamily (tsy mba manana "chiffon jaune" angaha ?)

Ary ny mpandeha, hoy ianao ? Sadaikatra re e ! Hiala ve ? ny andro efa maizina ary mbola lavitra ny dia. Kanjo rehefa elaela dia nihanazava ny fitaratra, noho ny hatsiaka nentin’ny rivodrivotra harivariva… Hafaliana tsy hay ambara ny nialana avy tao amin’ilay fiara, marina moa â !



Indraindray koa any amin’ny efitra fiandrasana (dokotera, birao) no miseho ny fampihomehezana.
Sinoa tsy fanta-piaviana
Any amin’ny mpitsabo nify….
Ny ankamaroan’ny olona dia miandry ny andraisan’ny dokotera azy satria efa namandrika fotoana mialoha. Raha tsy izany dia miandry farany, na afaka miroso mamandrika andro sy ora hafa. Efa nanana fotoana raikitra aho indray andro, koa niara-nipetraka tao an’efitra fiandrasana izaho sy ny zanako, niaraka tamin’olona roa na telo. Indro fa nandroso nipetraka tao an’efitra koa ity lehilahy sinoa ity, omban-tovolahy malagasy iray.

Rehefa nipoitra ilay ramatoa mpandray olona dia niroso avy hatrany ilay sinoa nanaraka azy, narahan’ilay tovolahy malagasy. Noheverinay rehetra nipetraka teo fa hamandrika fotoana ry zareo. Vetivety teo anefa dia gaga daholo izahay fa niverina tao aminay ilay ramatoa mpandray olona :

-- Misy mahafantatra ilay sinoa iny angaha aminareo ireto ? hoy izy nanontany anay

Samy nandà avokoa izahay. Dia lasa niverina tao amin’ny trano fitsaboana ilay ramatoa. Nifampijerijery izahay, gagagaga amin’izany fanontaniana izany.

Vetivety teo, dia iny indray ilay dokotera mpitsabo nify mihitsy indray no nipoitra, ary dia nanontany tahaka ny teo hoe :

-- Misy mahafantatra ilay sinoa iny angaha aminareo ireto ?

Dia indro nanaraka azy ilay sinoa, dia ilay tovolahy malagasy, dia ilay ramatoa mpandray olona.

Hay ity sinoa ity sady tsy miteny anglisy no tsy miteny frantsay, ary vao mainka koa tsy mahay teny malagasy !!

 Ary ilay tovolahy nanaraka azy tsy mahafantatra azy akory kay hono !! Oadray ! Asa izay fahamarinana fa dia nitana fihomehezana mafy izahay rehefa nijery azy mirahalahy nivoaka tsimoramora niala teo amin’ilay efitra fiandrasana… dia lasa !


Tsikitsiky ifampizarana, somonga ifampifaliana ;-) Mirary soa ô !


Aucun commentaire: