jeudi 8 septembre 2011

Inona no fototry ny fanjakana laika ?

"Etat laïc" na "laïcité de l’Etat", izany no isan’ny hevitra novoizina mafy herintaona lasa izay teto Madagasikara. 

Eny tokoa, efa miherina sahady ny taona nanatontosana ny fitsapankevibahoaka na referendum teto, ka nandaniana ny Lalampanorenana Malagasy vaovao.

Tsy dia sitrako loatra ny miresaka momba ity pôlitika ity nefa misy lohahevitra sasany tsy azo ialàna. Tahaka ny trosa eran-tany, na koa ireo trangan-javatra hafa manana fiantraikany eto amintsika, izany hoe amin’ny samy olombelona.

Ka raha ny fanjakana laïka izany, dia ny bokin’Ingahy Rainijaonary no anisan’ny manazava ny fototra nipoiran’izany. Hita ny antsipirihany ao anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "Misy ambadika ny fanjakana laika sy ny fanatontoloana".

Amidy ao amin’ny Librairie Mixte etsy Analakely, Antananarivo io ary efa misy voasoratra amin’ny fiteny frantsay. Misy pejy 138 io ka mitsinjara ho enina, amotopotoran’ny mpanoratra ny fiforonan’ny fanjakana laika.

Raha fintinina, ny fanjakana laika dia manasaraka ny olombelona amin’Andriamanitra. Ny ohatra mazava be omen’Ingahy Rainijaonary dia ny ao Frantsa, fototra rahateo nipoiran’ny "laïcité de l’Etat". Tsy tongatonga ho azy izany, fa mifandrirotra amin’ny tantaram-pirenena frantsay, efa amanjato taona lasa.

Ny endrika isehoan’ny "laïcité de l’Etat" any Frantsa dia ny tsy fahazoan’ny olona miaina ny finoany an’Andriamanitra. Toy ny manjo ny ankizivavy silamo tsy mahazo mitafy ny sarondohany. Efa lasa lavitra any ny fampiharana io fanjakana laika io.

Eto amintsika indray, malalaka ny finoana sy ny fivavahana. Miroborobo ny fiangonana, eny hatramin’ny mosquée aza, na dia atao hoe vao haingana aza no tena mampivelatra ireto farany.

Ohatra iray koa ny fahitana hatraiza hatraiza soratra masina, any anaty fiara fitaterana. Mandefa hiram-piderana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny radio anatin’ireny fiara ireny satria maro koa ireo radio evanjelika eto Antananarivo.

Tsy mihatra ara-bakiteny toy ny any Frantsa eto amintsika, hatreto, ny "laïcité de l’Etat". Misaotra an’ Andriamanitra mahery isika !

Raha iverenana ny fototry ny fanjakana laika, araka ny fanazavan’Ingahy Rainijaonary manko, dia tao Frantsa tamin’ny 1789 no niandohany, niaraka tamin’ny fiforonan’ny sata repoblikana. Rava ny fanjaka-mpanjaka, fa ny repoblika no nankalazaina. Ny fiantraikany dia ny fanenjehana ny fivavahana ary tonga hatramin’ny fankahalana mihitsy aza.

Tsy ilaza isika na tsara na ratsy ny fanjakana laika sy ny sata repoblikana. Fa mety raha samy mandinika lalina ny tsirairay. Tsaroantsika manko fa Andriamanitra no lohalaharana amin’ny zava-drehetra, ary Jesoa Kristy ihany no Tompo sy Mpamonjy.

Mikasika ny fanatontoloana, mbola tantara hafa indray io, kanefa mifandray avokoa ny hetsika eran-tany atrehantsika ankehitriny. Efa manazava izany koa Ingahy Rainijaonary koa mamporisika antsika Malagasy aho mba hamaky io bokiny io an.

Dia mirary soa hatrany ho antsika jiaby !


Aucun commentaire: