samedi 10 septembre 2011

Vitamine C atao inona ?

Tahaka ny otrikaina rehetra hafa, dia ilain’ny vatan’olombelona ny Vitamine C. 

Singanintsika anio io otrikaina iray io (Vitamine C na acide ascorbique) satria anisan’ny mora potika izy io mandritra ny fahandroana ny hanina, ary tsy mba mitoetra ato amin’ny vatantsika izy io fa mandalo fotsiny. Izany hoe, tsy mba misy "stock de Vitamine C" ato amin’ny vatan’olombelona. 

Raha lazaina amin’ny fomba hafa, ilaintsika hohanina matetika ny Vitamine C na acide ascorbique. Eo amin’ny 60 mg hatramin’ny 80 mg isan’andro no voalaza fa mahasalama ny olombelona (olondehibe na adulte io an).

Mampaninona antsika rehefa tsy mihinana an’io otrikaina io isika ?

Ny tsy fahampiana Vitamine C dia mahatonga ny aretina scorbut. Ny fisehoany dia ahitana rà amin’ny akanjoniify. Roa na telo herinandro eo ho eo no hisehoan’ny aretina rehefa tsy homana Vitamine C mihitsy ny olona.

Amin’ny zaza menavava moa dia ny maladie de Barlow no miseho noho ny tsy fahampian’io otrikaina C io.

Inona no asan’ny Vitamine C amin’ny fahasalaman’ny olombelona ?

Antioxydant io, izany hoe fiarovana ny toe-pahasalamana amin’ny ankapobeny.
 
Miaro ny aretim-po sy ny lalandrà rahateo koa ny Vitamine C, noho ny asany amin’ny lalandrà. Mampihena ny tahan’ny cholestérol (menaka manentsina lalandrà) ny Vitamine C.

Fiarovana amin’ny aretina maro, sady manampy ny herim-batana ny Vitamine C. Hohanina izy raha sendra havizanana, na koa tratry ny aretina tahaka ny sery, rhinite, gripa, aretin-tenda, soihika (asthme)…

Mampihena ny fipoiran’ny areti-maso tahaka ny cataracte koa ny fihinanana Vitamine C.

Karazana sakafo toa inona no misy Vitamine C ?

Ny karazam-boasary rehetra dia ahitana Vitamine C avokoa : loranjy, mandarine, voasarimakirana, pamplemousse, sy ny sisa. Ny voankazo tahaka ny fraise dia ahitana azy koa, ny manga, goavy, abricot, akondro…

Ny kiwi dia malaza any an-dafin’ny riaka amin’ny Vitamine C hoentiny, tsy dia ahitana loatra io voankazo io nefa eto Madagasikara. Toraka izany koa ireo framboise, cassis, groseille, cerise….

Hohanina manta ireo an, sasana madio tsara dia ampy hahasalama. Raha vao andrahoina be na hamainina manko ny voankazo dia difotra tsy hita intsony nyVitamine C, indrisy ! 


Ny legioma indray, izay ananantsika betsaka tokoa, dia manankarena Vitamine C, indrindra raha hohanina manta (crudité), tahaka ny laisoa, ny chou fleur (atao vapeur, tsy masaka be an), ny persil, ny radis, ny anandrano (tandremo ny fahadiovana, dray dray dray).

Ao koa ireo legioma hafa an, sahala amin’ny petits pois, haricots verts, poireaux, tongolo oignon, tongolo gasy, ovy, épinards, maro e ! Tsy masahana loatra ireo raha mbola azo atao an.

Marihina fa dia tsy ahitana firy Vitamine C ny hena sy ny laoka hafa. Afaka atao fanampiny amin’ny alalan’ny fanafody koa ny acide ascorbique raha ilaina, fa mbola tsara kokoa ny manana azy voajanahary.

Izay ary no ela fa dia mahereza homana legioma sy voankazo isan’andro, fa ireo dia miantoka ny otrikaina karazany maro, indrindra ny Vitamine C.

Raha te – handalina momba ny otrikaina sy ny minéraux ianao dia mitsidiha ATO 






Antioxydants. Les antioxydants sont des composés qui protègent les cellules du corps des dommages causés par les radicaux libres. Ces derniers sont des molécules très réactives qui seraient impliquées dans le développement des maladies cardiovasculaires, de certains cancers et d’autres maladies liées au vieillissement. 



Aucun commentaire: