lundi 14 novembre 2011

Fitrandrahana solika manimba voahary

Rahoviana no hitranga… asa angamba atsy ho atsy …..hoy ny hiran-dry Mahaleo

Bemolanga sy Tsimiroro ireo resahina ireo, dia ny fitrandrahana solitany. Zary natao fihomehezana fahizay ny hoe misy solika eto Madagasikara, raha tsaroantsika.

Sarintany Madagasikara 
Voamarina ihany fa tena izy izany hihihi Ary dia nirohotra nankaty ny orinasa vahiny.

Zava-doza ho an’ny mponina manodidina anefa ny fitrandrahana ireo solika ao ambanin’ny tany ireo, araka ny nambaran’ny « Alliance Voahary Gasy », vovonana iray ikambanan’ny sehatra maro (fikambanana, vondrona) mpikolokolo ny tontolo iainana.

Maintirano, Morafenobe...Azonao alehibeazina ny sary 

Mila rano ny fitrandrahana ny solika, ary rano betsaka be mihitsy. Tsy manana izany firy akory anefa raha iny faritra andrefan’i Madagasikara iny, izay itoeran’i Bemolanga sy Tsimiroro. Tsy solika fe solika manko no ao fa « sable bitumeux », misy menaka mavesatra maditidity be ka mila « sasana ».

Toy izao no santionan-tany (carotte) avy any Tsimiroro 
Marina fa amin’ny taona 2019 no ambaran’ireo orinasa (Total sy Madagascar Oil) fa hamoahana solika kanefa dieny izao dia efa mitsinjo ny voka-dratsin’izany ny « Alliance Voahary Gasy ».

Mampihorin-koditra ny mandre fa 143 tapitrisa litatra rano (3 hatramin’ny 5 « barils ») no ho ampiasaina isan’andro hampiakarana solika iray « baril » monja. 

Tsy vitan’izany fa mbola hikoriana any anaty rano ny loto vokatry ny fitrandrahana, ka haloto tokoa ny renirano rehetra amin’ny faritry Maintirano sy Morafenobe. Ny biby fiompy dia mila misotro rano, dia hiantraika amin’ny fahasalamany izany. Rano 20 litatra isan’andro no ilain’ny omby iray hoy ny mponina ao Maintirano ao.

Rehefa marary ireo biby fiompy ireo dia marary koa ny olombelona omana azy. Hitombo rahateo ny aretina noho ireo loto (mercure, zinc, arsenic, sns) hiraraka any anaty rano, hoy ny antson’ny « Alliance Voahary Gasy » : miteraka homamiadana izany, aretina ho an’ny rà, aretina amin’ny taovam-pisefoana, sns.

Toy izao indray ny menaka (huile lourde)  avy any Tsimiroro ihany :-(

Tsy mijanona eto an-tanety ny voka-dratsy fa mipaka hatrany an-dranomasina, amin’iny ilany andrefan’i Madagasikara iny. Fantatsika anefa fa amin’iny no ahitana ny ala honko na « mangrove » betsaka be, izay « écosystème » manokana mihitsy.

Mbola misy faritra ahitana akorandriaka vaventy (récifs) koa iny andrefana iny, hoy Atoa Jean Pierre Ratsimbazafy, solontenan’ny mponina Maintirano sy Morafenobe.

Ireo mpikambana mavitrika ao amin'ny Alliance Voahary Gasy 
Ho an’Atoa Ndranto Razakamanarina, Filohan’ny « Alliance Voahary Gasy », dia tokony hitodika amin’ny loharanon’angovo hafa mihitsy isika eto Madagasikara. Tokony hamolavola pôlitika isan-tsehatra (politique sectorielle) ny mpitondra fanjakana mba ialana amin’ireto « énergie fossile » ireto (solika, gaz, sns). 

Manamafy rahateo ny « Alliance Voahary Gasy » fa tsy dia mitondra soa ho antsika Malagasy akory ny fitrandrahana ireo solika ireo, satria halefa any Etazonia na any Inde, ary kely dia kely noho izany no sanda mba azo ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Azonao atao ny mandalina momba ireo rehetra ireo amin’ireto takelaka ireto :

Les Nouvelles : Exploitation pétrolière : le danger est inévitable selon l’AVG
Momba ny « sable bitumeux » any Alberta, Canada : Sables bitumeux du Canada : du pétrole à n’importe quel prix


Samia mandinika ary isika an. Mirary soa ho anao.



Aucun commentaire: