lundi 21 novembre 2011

Mihinàna voanio ô

Tsy « bonbon coco » ihany no mahafinaritra amin’ny voanio an ! :-)

Maro dia maro ny fampiasantsika Malagasy ny voanio : ankoatra ny "bonbon coco" (miam miam), dia azo atao fangaro matsiiiiro ao anaty laoka samihafa izy io.

Voanio na coco ? Ananantsika io rô !

Ao ny trondro miaro voanio, ao ny akoho ketsaketsa miaraka amin’ny voanio, karazan-daoka tena malaza ireo. Fa ao koa ny mangahazo miampy voanio (slurp), ny mofomamy samihafa laroana voanio voakiky.

Ny fisotroana ny ranom-boanio dia efa azontsika atao eto Iarivo, jereo ange etsy akaikin’ny Tahala Rarihasina e !

Fa ity mena-boanio koa kay rey olona dia mahasoa tokoa. Araka ny fikarohana nataon’ny manampahaizana maro any an-dafin’ny Riaka dia mahasalama tokoa io menaka io.

Sary Santé Nature Innovation

Hoy ny ao amin’ny Santé Nature Innovation momba ny mena-boanio : 

>>Matsiro tahaka ny nonon-dreny (hihihi)

>>Mahasoa raha anendasana sakafo

>>Azo atao anaty "vinaigrette", somary empoina kely satria mivaingana io menaka io

>>Mahasolo dibera amin’ny mofo dipaina


Mazava fa tena mahatsara ny taovolontsika koa io menaka io, koa mahaiza mampiasa azy hatrany an !


Izay ary no torohay anio, mirary ny soa indrindra ho anao. Mazotoa ary an !


Aucun commentaire: