lundi 5 décembre 2011

Fialamboly tsotsotra an !

Omaly tolakandro aho, dia mba nanao ny fanaon’ny olona rehefa alahady....
 
Hatraiza hatraiza dia ny miala voly tokoa no fandaharam-potoan’ny mponin’Antananarivo. Malalaka rahateo ny fifamoivoizana,tsy mitohana sahala amin'ny andro iasana....

 
Etsy amin’ny zaridainan’Analakely ohatra…
 
 
….indrindra raha mahazo ny tandrifin’ny Lapan’ny Tanàna !
 
 
Azo atao koa ny mankeny Ambohijatovo, mampilalao ny kilonga…
 
 
…Na ery amin’ny Marais Masay….
 
 
Ao koa ireo misafidy ny mipetrapetraka fotsiny maka maloka, ohatra amin’ny sisiny tahaka ny aty Mahamasina…
 
 
Hita koa ireo mpitsangantsangana lavitry ny tanàna, na fianakaviana, na mpiray fiangonana, na mpiara-mianatra, olona samihafa mahita tsirony amin’ny fiarahana e…
 
Fahafinaretana tokoa ny miaina ao anatin’ny tanàna lavitry ny fibosesiky ny fiarakodia an !
 
Dia ho soa tokoa anie ny tontolon’andronao anio : mirary ny tsara indrindra ho anao. :-)




Aucun commentaire: