jeudi 29 septembre 2011

Pitipoa, legioma mahasoa

Fotoanan’ny pitipoa (petit pois) izao ka mora indray ny vidiny. 

Amidy amin’ny kilao izy na amin’ny kapoaka ary azo ilaofana tsara tokoa ny pitipoa. Fanao amin’ny "macédoine de légumes" koa izy, andrahoina maharitra na amin’ny alalan’ny etona (à la vapeur).

Mba fantatsika ve ny habetsahan’ny otrikaina ao anatin’io pitipoa bitika kely io ? Odryyy, maro dia maro ary tena mahavariana an !
Pitipoa manta
Ahitana Vitamine C ohatra ny pitipoa. Io ilay mahatsara ny toetry ny lalandràn’ny olombelona, manamafy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny mihitsy. Ananan’ny pitipoa koa ny Vitamine B1, B2, B3, B6, izay samy manana anton-draharaha amin’ny fahasalaman’ny vatantsika. 

Tahaka izany koa, ireo sira mineraly toy ny Fer, Zinc, Phosphore, Magnésium, dia hita ao anatin’ny pitipoa avokoa.

Ary ity no mahavariana, sady mahafinaritra an : misy lutéine sy zéaxanthine koa anatin’ny pitipoa. Ireo singa roa ireo dia mahatsara ny fahitana. Tena ilaintsika mba ampateza ny masontsika ireo singa ireo. Ao anatiny koa ny Vitamine A, mahasoa ny maso hatrany.

Fanampiny hafa koa : resaka protéine indray, singa manatevina ny nofo. Misy koa io anatin’ny pitipoa an.


Sakafo feno tokoa izao : pitipoa, hena, ovy, poireau, karoty

Azo ambara fa mahasoa tanteraka ny fihinana ny pitipoa, na andrahoina amin’ny rano izy, na mifangaro avy hatrany amin’ny laoka, na atao vapeur. Inona moa izany, fa dia ny tsirony sisa no amboarina araka izay tiana, fa raha ny fahasoavana entiny ho an’ny fahasalamantsika olombelona an, dia mahafa-po tanteraka. 

Marihina fa iray tarika amin’ny pitipoa koa ireo "mange-tout", fa ireto tsy ahitana voaniny ao anatiny. Ny pitipoa anefa no tena manome ireo otrikaina sy sira mineraly ary protéine voalaza ireo.

Afaka mandalina momba izany ATO  ianao :-)

Fanovozana hafa momba ny Vitamine C koa ATO 


Izay indray ny anio, mirary soa ho anao hatrany !


Aucun commentaire: