vendredi 30 septembre 2011

Saina salama sy vatana tomady

Manao ahoana ô ! Salama ? Izay matetika no ifampiarahaban’ny samy Malagasy tafahaona. 

Mahafinaritra tokoa ô ? Satria zava-dehibe tokoa ny fahasalamana.

Voarafitra ho saina, vatana, fanahy moa ny olombelona ka dia samy kolokoloina avokoa ireo mba ho lavorary ny fahasalamana.



Ny fitaizam-batana

Ankoatra ny sakafo, dia ilain’ny vatana koa ny fahadiovana, sy ny fihetsiketsehana, kotrana hoy ny fitenin-jatovo. Mila mikotrana izany ny nofo aman-drà, na firy taona na firy taona.

Maro karazany no azo atao : dia an-tongotra, hazakazaka, lomano, filalaovam-baolina (kitra, basket, ping-pong, tennis, volley, handball), haiady na arts martiaux (karaté, judo, taekwondo, aikido), sy ny maro hafa.

Ankoatra ny fahasalamana, mba misy fahafinaretana koa manko vokatry ny kotrana. Ao ny fifaneraserana amin’ny namana, ilain’ny olombelona izany fa tsy mitoka-monina an ! Ao koa ny hafaliana vokatry ny fahatratrana tanjona samihafa : hazakazaka, vikina, isan’ny baolina maty, sns. Maro e !

Fa ny kotrana koa an, manampy amin’ny fanintsanana ireo singa tsy mahasoa (toxines) ao amin’ny vatana, ary mampiakatra ny singa mahafalifaly sy finaritra (dopamine). Hihihi

Momba ny saina, sy ny eritreritra indray, dia efa resahantsika matetika ny fifantohana amin’ny hevitra mahasoa. Tahaka ny hetsika ara-batana, dia mila kojakojaina koa io eritreritra io.



Ny fikojakojana ny saina

Ny olona mamboly eritreritra sy hevitra mahasoa dia hahazo vokatra mahasoa azy, sady mahasoa ny manodidina azy : ny mpiara-belona aminy, hatrany amin’ny fiaraha-monina sy ny mpiara-miasa. Hafaliana, tsikitsiky, fifandeferana, fifanajana, fifanakalozana hevitra am-pilaminana, fifanampiana, sns.

Tahaka izany tsy misy valaka ny mitranga eo amin’ny olona mamboly hevi-dratsy : vokatra mifanaraka amin’ny eritreriny ny andavanandrony. Dray dray dray….

Mandalo fotoan-tsarotra ny fiainam-pirenena Malagasy ankehitriny. Iniako tsy voizina izany, satria tsy mamaha olana ny fitarainana sy fimenomenomana.

Ireo olona sendra ahy dia miaiky avokoa fa tsy misy afa-tsy ny mifanampy, sy mifanoro hevitra mahasoa no mahatsara ny fiainana andavanandro. Eny, mifamonjy amin’ny fivelomana, araka izay azo atao. Matoky fa mitahy sy miaro Andriamanitra be famindrampo.

Izany no ifantenana ny vaovao raisina amin’ny alalan’ny haino aman-jery isan-karazany ohatra. Tsy alatsaka ao am-po ireny, fa sao mandratra an ! Akarina ambony mihitsy ny herin-tsaina. Zava-poana anefa ireo, raha tsy ny fanahy no mitarika.Koa, mandehana araka ny fanahy ary an.

Dia mirary fahasalamana manontolo ho antsika tsirairay avy.



Aucun commentaire: