mardi 27 septembre 2011

Ny Noely tsy fety kristiana

Afaka telo volana no tonga ny fotoana fankalazan’ny firenena maro ny Noely na Krismasy. 

Tsara ihany, ho antsika mpino an’i Jesoa Kristy no mandinika izao hevitra izao : tsy fety kristiana ny Krismasy.

Sapin matetika no ahafantarana ny Noely 

Tsy anaty Soratra Masina izany Noely izany

Raha mamaky ny Soratra Masina tokoa isika, dia tsy mba namporisika ny mpianany hanamarika io vanim-potoana nahaterahany io i Jesoa Kristy.

Marina, ary iaraha-miaiky fa zava-dehibe ho an’ny olombelona hatramin’izao ny fahaterahan’ny Mpamonjy, satria Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia olombelona 100% tahaka antsika, no sady Andriamanitra 100%.

Kanefa, ao anatin’ny fanekem-pinoana ohatra, dia ambara ny nanatorontoroana an’i Jesoa Kristy tamin’ny Fanahy Masina sy ny niterahan’i Maria Virjiny Azy. Avy hatrany dia ny fijaliany noho ny fanapahan’i Pontio Pilato no manohy ny fanakem-pinoana…..

Tsy misy fanambarana velively na fihobiana ny fahaterahan’i Jesoa, eny fa na ny asany aza tsy ambara amin’io fanekem-pinoana io. Satria ny fandreseny ny fahafatesany tamin’ny fitsanganany ho velona no hevi-dehibe anisan’ny fototry ny finoana kristiana.
Jesoa Kristy mankalaza ny Paska farany
Fanampin’izay, raha niomana ny hankalaza ny Paska farany niaraka tamin’ny mpianany Jesoa Kristy dia nanafatra tamin’ny eokaristia Izy. Inty no nofoko, inty no ràko hoy i Jesoa. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy…. Dia izay ihany ! 


Fanompoana masoandro ny 25 desambra

Ny datin’ny 25 desambra rahateo dia anatin’ny vanim-potoana tsy mifanaraka amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Fety fahagola tany Eorôpa io daty io, hanamasinan’ny tsy mpino ny masoandro. Io ilay hoe "solstice d’hiver", fidirana amin’ny vanim-potoana ririnina any avaratry ny tany. Odryyyy !

Ireo singa rehetra manodidina ny Krismasy (Dadabe Noely, hazo sapin,bûche de Noël, kintana, labozia, kilalao, sns) dia manana fototra avy amin’ny fiderana ny masoandro sy fatahorana ny haizina. Fa tsy manana fototra avy amin’i Jesoa Kristy na dia kely aza.

Ireo mpiandry ondry any an-tsaha
Diniho e : ireo anjely nanambara tamn’ny mpiandry ondry tany Betlehema fa teraka ny Mpamonjy. Tany an-tsaha ireo mpiandry ondry ireo. Moa va, anatin’ny vanin’andro ririnina dia ho eny an-tsaha iandry ondry ny mpiompy ? 

Ny bûche de Noël dia hazo tena izy no narehitra fahiny, ny alin’ny 24 desambra, dia mba ho fankalazana hatrany ny masoandro, satria mitondra hafanana sy hazavana. Tsy avela ho faty io afo arehitra io mandra-maraina ny andro. Novaina ho mofomamy fihinana taty aoriana, ary dia hohanin’ny rehetra am-pifaliana. Kanefa foto-pivavahana tsy mitombina no iaingany.

Na ny sapin aza dia mbola fiderana ny masoandro ihany, araka ny finoan-dry zareo mponina fahagola tany Eorôpa ihany…. Hazo maitso mandava-taona ny sapin manko, ka miendrika faharetan’ny masoandro….



Marina fa i Jesoa dia fahazavana ho an’izao tontolo izao. Izy no Andriamanitra ankalazaintsika Kristiana. Fa raha ny masoandro kosa an, dia mbola zavaboarin’Andriamanitra tahaka antsika ihany, ka tsy ivavahana. 

Izay ary no tsy aritra androany, ifampizarana am-pitiavana. Tsy manakana anao hankafy ny Krismasy akory fa mba hahatsara fototra ny finoanao.

Tsarovy fa Andriamanitra no mialoha ny zava-drehetra (Aimer Dieu avant tout

Samia ary ho tahian’Andriamanitra isika an. :-)


Loharanon-kevitra : "Misy ambadika ny fanjakana laika sy ny fanatontoloana", pejy 99, Tovana 1. Rainijaonary, Librairie Mixte Antananarivo

Fanekem-pinoana :  "Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika, Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha ; avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana masina manerana an’izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena."





Aucun commentaire: