lundi 8 août 2011

Tsy makasaoka fa « pain perdu »

Anisan’ny mofomofo fihinantsika matetika ny makasaoka, mofo dipaina mifono lafarinina ary nendasina. Fa raha ny « pain perdu » indray dia hafa karazany, na samy mofo dipaina aza no iaingana. Fahandro tsotra, tsy dia mandany akory ny « pain perdu », ary tena matsiro an !


 
Ireo zavatra ilaina (ho an’ny olona telo na efatra)

Mofo dipaina 2 efa maina (rassis)
Atody akoho 2
Ronono velona 1/2 litatra
Siramamy mifangaro lavanilina 60 gr
Menaka 20 cl na dibera 100 gr




Fanamboarana pain perdu

Teteho fisaka ny mofodipaina, na atao tranche izany.

Arotsahy anaty vilia jobo ny atody, ronono ary siramamy. Asio ambiny ny siramamy.



Kapohy tsara ireo mba hifangaro tanteraka.


Atsobohy fotoana fohy ao anatin’io fangaro io ny mofodipaina, tsy atao ela sao miboledaka an !
Rehefa vita izany, dia omano ny lapoaly.

Fanaon’ny olona ny mampiasa dibera, fa azo atao amin’ny menaka tsara koa ny pain perdu. Kely fotsiny no arotsaka anaty lapoaly, atao manemitra azy fa tsy mila betsaka akory.


Dia apetraho anaty lapoaly ny mofodipaina, ataovy afo malefaka an ! Rehefa mendimendy tsara dia avadiho, ataovy mendimendy tsara koa ny ilany.

Esory avy ao anaty lapoaly amin’izay dia fafazo siramamy dieny mbola mafana ny pain perdu. Izay dia vita !

Afaka atao sakafo maraina, na tsakitsaky ny pain perdu. Azo soloina tantely ny siramamy afafy eo amboniny rehefa masaka, na izay tianao ka hitanao fa mampatsiro azy.

Mazotoa homana ô !

Aucun commentaire: