jeudi 11 août 2011

Mbola abidia ihany

Misy tohiny tokoa ilay tantaran’i Zafy (tsy Zefa kay hihihi) !

I Zafy  ilay tantsaha tsy mihaino ny fampianaran’ny SN – tanora afaka bakaloreà- fahiny.
 
Eto indray dia ampianarina manambatra litera hanome feo miteny ny fokonolona aty ambanivohitray. Hoy ny SN, tanora mavitrika ho avin’ny firenena hoe : "P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA".
 
Nofanina amin’ny raharaha miaramila moa ireto zatovolahy sy zatovovavy malagasy afaka bakaloreà tamin’ny SN (Service National Hors Forces Armées Populaires, na SNHFAP) tamin’izany andro izany. Ka ny hevitra hitan’ny SN mpampianatra dia ny nametraka ny teny hoe "PA" hitovy amin’ny feom-basy mipoaka.
 
Mamerina avokoa ny fokonolona : "P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
Araka ny fanaony, mitango lalitra i Zafy ka rehefa nadinina tampoka izy dia nitsamboatra.
 
Anao ry Zafy, ahoana no famakiana ny "P" ampiana "A" ?
 
Misy mibitsika hoe " tahaka ny feom-basy e". Hay tahaka ny feom-basy ? hoy i Zafy, sady nihoraka mafy izy hoe :
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "BO", tahaka ny feom-basy !
 
 
Marihina fa tantara marina io, nivoaka tamin’ny gazety boky Fararano Gazety ny taona 1985

Aucun commentaire: