vendredi 12 août 2011

Nankaiza ny tanteliko teto ô ?

Nankaiza ny tanteliko teto ô ? Lanin’ny vitsika ô ! Vitsika inona ô ? … hihihi
 
 
Hira ka hira izany rey olona, fa hay moa ity tantely hohanintsika ity ka tena asa goavana vao vitan’ny renintantely ?!!
 
Isika Malagasy dia, efa ela dia ela no mankafy io vokatra iray io. Fihinana toy ny sakafo rehetra, fampiasa ho solon’ny siramamy, fanaovana mofomamy, eny, fampiasa miaraka amin’ny sakamalaho koa raha mikohoka, maro ireo fotoana ampiasantsika tantely.
 
Sary Energie Santé
Fa mba fantatsika ve fa, mitety voninkazo sahabo eo amin’ny 150 isa ny renintantely iray vao mahangona 2cg (0,02g) ranomboninkazo (nectar) ? Voafaritry ny mpandinika aza fa mahefa halavirana 1 km in-25 eo ho eo ny renintantely iray isan’andro amin’izany fanangonana nectar izany.
 
0,5g nectar dia hahavitana 0,01 g tantely….
 
Tsy misy eran’ny sotro akory izany marina an !
 
Nanao kajy tsotsotra ny mpandinika, ka nahita hoe sahala amin’ny mihodina in-droa ny tany (globa) ny lalana vitan’ny renintantely indray mihira vao mahatontosa 1kg tantely ! Oadray rey olona !
 
Mitondra fahasoavana maro eo amin’ny fahasalamantsika olombelona ny tantely, ka rariny loatra raha mahay mankasitraka izany vokatra izany isika. Mankalaza ny renintantely izay zavaboarin’Andriamanitra toa antsika, nefa dia misasatra mafy tokoa amin’ny ataony rehetra…
  

Aucun commentaire: