mardi 9 août 2011

Klaxon hafa kely !

Fampiasa rehefa mivezivezy eny amin’ny arabe ny klaxon, na ilay "maneno" hanairana ny olona na ny mpitondra fiara.


Samy hahitana io klaxon io ny fiarakodia, ny bisikileta ary ny moto. Fa ny olombelona, indrisy, tsy mba manana an’io. Soa fa misy ny tenintsika hoe "azafady" ahafahana manaitra ny mpandeha an-tongotra hafa an !

Fahiny, fony mbola nisy ny tsena Anjoma teo Analakely, dia tena mifanitsa-kitro tokoa teny an-tsena tamin’izany. Feno mpivarotra ny arabe manontolo, hany ka tsy tongan'ny fiarakodia ny toerana sasany. Fahita noho izany ny olona sasany mikarama mibata enta-mavesatra, anisan'izany ireny hena vaventy be ireny, entina misisika afovoan'ny olona, mankeny amin’ny mpivaro-kena teo amin’ny Pavillon.

Mba tsy handoto ny fitafian’ny olona maro mifanesika amin’ny lalana, dia miteny mafy ireo mpibata ireo hoe " Ra-kena ! Ra-kena !" Poa toa izay ho'aho dia mihataka avokoa ny mpiantsena an, ka afaka mandalo malaky ireo mpitaona hena.

Dia izany no hevitra mba hitan’ireto tovolahy, mpianatra tsy te –hifanosina amin’ny mpiantsena andro zoma, hihihi Mba mihoraka koa ry zareo hoe "Ra-kena ! Ra-kena!"  Miala lavitra mihitsy aloha ny olona amin’izany klaxon hafa kely izany an ! 

Aucun commentaire: