mardi 9 août 2011

Izany SN izany ve ? ….


Moa va mbola misy mahatsiaro amin’izao fotoana izao ny SN ? hihihi
Anisan’ny vanim-potoana nolalovan’ny firenena malagasy izany, nisy tsara, nisy tsy tsara.

Tanora nahavita fianarana kilasy Famaranana, afaka bakaloreà, ka manao "Service National Hors Forces Armées" ireo nosalorana ny anarana hoe SN. Nahitana zavatra mahatsikaiky tokoa. Ohatra ity tantara an-tsary manaraka ity, tantara marina ! 
Oadray ! Toa kely bolitina kely ? Voavaky ve ny soratra ?!

Ny tantaraina eto manko dia ny tsy fifantohan'i Zefa amin'ny lesona. Misy SN mampianatra abidia ny mponina. 

Ampianarin'ilay SN ny litera "V" ny mponina aty ambanivohitray. 
Manonona anaram-biby manomboka amin'ny litera "V" ny olona. 
Ao ny miteny hoe "Vano", Valala", "Vitsika", "Voalavo"...
I Zefa tsy mihaino, hany ka rehefa nasaina nanonona anarana biby koa izy, nolazaina hoe "V" tahaka ny "Voalavo" dia inona hoy ianao ? 
"TOTOZY" hoy i Zefa !

Ifampizaràna ee…. Am-pitiavana hihihi



Aucun commentaire: