Affichage des articles dont le libellé est SN. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est SN. Afficher tous les articles

jeudi 11 août 2011

Mbola abidia ihany

Misy tohiny tokoa ilay tantaran’i Zafy (tsy Zefa kay hihihi) !

I Zafy  ilay tantsaha tsy mihaino ny fampianaran’ny SN – tanora afaka bakaloreà- fahiny.
 
Eto indray dia ampianarina manambatra litera hanome feo miteny ny fokonolona aty ambanivohitray. Hoy ny SN, tanora mavitrika ho avin’ny firenena hoe : "P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA".
 
Nofanina amin’ny raharaha miaramila moa ireto zatovolahy sy zatovovavy malagasy afaka bakaloreà tamin’ny SN (Service National Hors Forces Armées Populaires, na SNHFAP) tamin’izany andro izany. Ka ny hevitra hitan’ny SN mpampianatra dia ny nametraka ny teny hoe "PA" hitovy amin’ny feom-basy mipoaka.
 
Mamerina avokoa ny fokonolona : "P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "PA", tahaka ny feom-basy….
 
Araka ny fanaony, mitango lalitra i Zafy ka rehefa nadinina tampoka izy dia nitsamboatra.
 
Anao ry Zafy, ahoana no famakiana ny "P" ampiana "A" ?
 
Misy mibitsika hoe " tahaka ny feom-basy e". Hay tahaka ny feom-basy ? hoy i Zafy, sady nihoraka mafy izy hoe :
 
"P" ampiana "A" dia vakiana hoe "BO", tahaka ny feom-basy !
 
 
Marihina fa tantara marina io, nivoaka tamin’ny gazety boky Fararano Gazety ny taona 1985

mardi 9 août 2011

Izany SN izany ve ? ….


Moa va mbola misy mahatsiaro amin’izao fotoana izao ny SN ? hihihi
Anisan’ny vanim-potoana nolalovan’ny firenena malagasy izany, nisy tsara, nisy tsy tsara.

Tanora nahavita fianarana kilasy Famaranana, afaka bakaloreà, ka manao "Service National Hors Forces Armées" ireo nosalorana ny anarana hoe SN. Nahitana zavatra mahatsikaiky tokoa. Ohatra ity tantara an-tsary manaraka ity, tantara marina ! 
Oadray ! Toa kely bolitina kely ? Voavaky ve ny soratra ?!

Ny tantaraina eto manko dia ny tsy fifantohan'i Zefa amin'ny lesona. Misy SN mampianatra abidia ny mponina. 

Ampianarin'ilay SN ny litera "V" ny mponina aty ambanivohitray. 
Manonona anaram-biby manomboka amin'ny litera "V" ny olona. 
Ao ny miteny hoe "Vano", Valala", "Vitsika", "Voalavo"...
I Zefa tsy mihaino, hany ka rehefa nasaina nanonona anarana biby koa izy, nolazaina hoe "V" tahaka ny "Voalavo" dia inona hoy ianao ? 
"TOTOZY" hoy i Zefa !

Ifampizaràna ee…. Am-pitiavana hihihi