Tsy vitan’ny mampatsiro laoka ihany ny sakamalaho na sakaintany, fa tena fanafody tokoa.
Raha sendra tsy mahalevon-kanina manko, na misalebolebo, dia azo ampiasaina tsara io zavamaniry iray io.
Mety tsara na hohanina manta izy io, na atao dite, na izy efa nohamainina no ampiasaina, ary indraindray aza efa miendrika fanafody (gélules) no ahitana azy any amin’ny fivarotam-panafody.
Maro ny fikarohana atao momba azy io any an-dafin’ny Riaka any, ary ny ankabeazan’ny vokatra dia manamafy ny hatsaran’ny sakamalaho ho an’ny zanak’olombelona.
Ohatra vitsivitsy :
Ho an’ny vehivavy bevohoka sendra maloiloy dia tsara ny homana sakamalaho kelikely. Raha sakamalaho maina dia 02 g no hohanina, ary raha vao avy voasana dia hatramin’ny 10 g isan’andro no voalaza fa manafaka ny maloiloy.
Ho an’ny olona tsy mahazaka lalana lavitra, dia mahasoa koa ny mandray sakamalaho, araka ny fikarohana.
Raha tsy mahalevon-kanina koa ianao, dia misotroa diten-tsakamalaho kelikely. Mampilamina ny taovam-pandevonan-kanina (indrindra ny aty) ny sakamalaho. Rano 1/4 litatra (250cl) no asiana sakamalaho voasilaka na nokikisana, eo amin’ny 5 g . Ampio ranom-boasarimakirana na tantely dia atao fisotro. Aza misakafo matsiro aloha an, dia aleo miala sasatra ny ambavafo. Lasopy legioma maivamaivana, sakafo tsy misy menaka no hohanina aloha mandritra ny iray andro, sady maka aina fa tsy manao vizana.
Mila fitandremana ny fampiasana sakamalaho hoy ny mpikaroka raha sendra olona ahitana izany atao hoe calculs biliaires izany.
Izay indray ary no androany fa samia tsara.
Mirary soa ho antsika jiaby.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire