jeudi 15 septembre 2011

Tsy aritra amin’ny mofomofo

Miresaka sakafo matetika isika ô ? 

Rariny loatra izany, satria ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy hoy ny ohabolana  :-)

Mba tsy aritro loatra koa ny mandinika ny fankafizantsika Malagasy izao mofomofo izao an hihihi

Aiza ve ka hatrany an-dafin’ny Riaka aby dia homana fatratra an’izy io ! Odryyyyy !

Jereo ange ireto mofomofo...raha tsy mmmh, miam miam…  matsiro an !
Raha nampiasa ny hairaha avo lenta aho androany, dia i Google izany, dia nanoratra fotsiny hoe mofo gasy. Valiny efa ho 83 000 mahery no nivoaka hoy ianao !! 

Hay ve ka efa mifanoro fahandro mofo gasy sy nonaka ny Malagasy eran-tany ?!! Ntsônalé marina mafy e ! Hatramin'ny fiteny anglisy an : ataony hoe pancakes hoe ? hihihi  

Ny tena moa eto am-potony dia mpanjifa mavitrika, efa nieritreritra ny fahandro azy ihany fa… Homana aloha kouh !

Tsetsatsetsa tsy aritra indray iny an ! Mazotoa ô !

Aucun commentaire: