mardi 13 septembre 2011

Tompon’andraikitra 100%

Ny tiana ifampiresahana anio dia mikasika ny safidim-piainana. 

Mila mandini-tena isika, hoy aho matetika. Mpandinika ny zava-misy ny tenanay, ary dia mandini-tena araka izany, no sady mandinika ary manadihady ny fiainan’ny zanak’olombelona. Heverina fa izany avokoa no ataon’ny olona fa tsetsatsetsa tsy aritra ihany no anamarihako izany.

Eny, heverina matetika fa tsy nosafidiantsika ny ho tonga ety an-tany hihihi. Kanefa, na ny firenena, na ny ray aman-dreny, eny hatramin’ny ambangovangom-piainantsika aza dia efa safidy mazava, safidy notanterahina tany amin’ny … andao atao hoe…  fiainana mialoha ny eto an-tany.

Io izany ilay choix de l’âme efa nambara teto. 



Sombinaina hoy ny fiteny malagasy momba ny zanaka. Silaky ny aina, ampahany amin’ny tenantsika ny zanatsika.

Tokony ho mazava amintsika, tokony ho mora ho an’ny Malagasy araka izany, ny mahatsapa fa sombin’Andriamanitra koa isika olombelona.

Bitika dia bitika izany, raha mandeha tsirairay avy, kanefa sady mafonja no mahery raha miray hina. Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika. Izany tokoa ilay ohapitenenana ô ?

Araka izany, tompon’andraikitra zato isan-jato (100%) isika amin’ny zavatra iainantsika.

Aoka tsy hihevitra na hiteny intsony isika fa hoe ianona na ianona no nahatonga ahy toy izao. Fa ianao ihany, noho ny fanananao safidy malalaka. Tena marina ilay soratra masina hoe "Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy". Tsarovy fa ianao no mamorona sy manasoa –na manaratsy - ny fiainanao. Isan’andro, isa-tsegondra, isa-minitra hihihi

Ekena fa mety ho sarotra, ho an’ny ankamaroan’ny olona mahare izany voalohany, ny manaiky io toe-javatra io. Kanefa, am-pitiavana sy am-panentren-tena no iangaviako anao mba handinika izany.

Tarafo amin’ny alalan’ny fonao (am-pitiavana) ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina izay safidinao rehetra. Tsy mitsara anao no anton-dresaka, ary ianao koa tsy hoe hitsara ny tenanao sy izay vitanao. An-an, Andriamanitra no Mpitsara farany.

Izay indray ny amin’iny fa dia soava, tsarà ! Isan’andro, isa-minitra, isa-tsegondra !

Safidio am-pitiavana ny momba anao sy ny manodidina anao, hatsarao raha mety. Eny e, hatsarao hatrany an !

Mirary soa ho anao, izao dia izao :-)

Aucun commentaire: