vendredi 5 décembre 2014

Fiainam-pirenena hoe ? (1)



Tsy adinoko akory ny lohahevitra mikasika ny Malagasy mifoha, ary ao anatin’izany indrindra isika ankehitriny.

Raha ny andavanandronay aty dia miavosa sahala amin’ireo fako ny fitarainan’ny olona. Miavosa tokoa ny fako isaky ny tanan-dehibe (Antananarivo, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga, Ambatondrazaka, sns).



Jiro tsy mandeha, ny rano tapaka

Mampitaraina ny olona hatraiza hatraiza ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano ataon’ny JIRAMA. Hany ka nisy antso nifanaovan’ny olom-pirenena any amin’ny tambazotra sosialy (réseaux sociaux e) mba hanaovana hetsika amin’ny Asabotsy 06 desambra izao (rahampitso).

Hetsika am-pilaminanana etsy Anosy, anehoana amin’ny JIRAMA fa maro tokoa ny mpanjifa no mijaly amin’nyataony.

Jiro tapaka ange re olona dia mira amin’ny aizina, sakafo simba ao anaty congélateur, fitaovana tsy lavorary (ordinateur ohatra), sy ny hafa. Dia manao ahoana ny famerenan-deson’ny mpianatra amin’ny jiron-dabozia ? Mety ve izany ?
Rano tapaka ange ka ny aina mihitsy no miantoka e ! Misy fokontany efa miantso isan’andro amin’ny radio mitaraina fa tapaka mandritra ny herinandro ny ranony. Dia tsy hisasa, tsy hisakafo ve izany olona izany ?

Vao navoakan’ny filazam-baovao samihafa izany vaovao izany dia niaka-tsehatra ny Colonel Florens, lehiben’ny Zandary eto Analamanga. "Tsy nahazoana alalana izany hetsika izany" hoy ny teniny.

Raha ny fanaon’ny EMMO/REG isaky ny misy hetsika voalaza fa tsy nahazoana alalana dia fandravàna ny fivorian’olona no hevitr’izany. Fanipazana grenady mandatsa-dranomaso sy ny hafa izany. Asa, fisamborana olona koa angamba ?

Fandrahonana (menaces) mihitsy ny tenin’ny Colonel Florens, raha raisina amin’ny fijery tsy miangatra.

Dia hangina ve izany ianao ry Malagasy havako, hiaritra am-pahanginana ny hetraketraky ny JIRAMA ?! Sao dia tsy rariny e !

Baiko avy any ambony

Rehefa miantso ny JIRAMA mandritra ny fahatapahan-jiro dia izao no avaliny : "Baiko avy ambony io Tompoko". Iza izany ambony izany ?

Raha ny ambony indrindra eto amin’ny firenena dia ny Filoham-pirenena no andraisana izany. Fa mety ho ny DG-n’ny JIRAMA koa izany. Ny Ministra Fienena Richard moa efa nesorina, misolo azy vonjy maika ny Jeneraly Herilanto Raveloson, izay efa Minisitry ny harena stratejika rahateo raha tsy diso aho.

Dia matahotra ve ilay ao ambony sao voahozongozona ny sezany ka mandrara anay olom-pirenena hitaraina ?

Izao tsy fihainoana ny hevitry ny olom-pirenena izao ihany ange no efa nampirodana ny fitondrana samihafa teto e !

Izao fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana izao ihany ange no efa nampitroatra ny olom-pirenena e !

(mbola hitohy)



Aucun commentaire: