lundi 1 décembre 2014

Jery todika 2014



Mby aiza isika tsirairay avy amin’izao taona 2014 hadiva hifarana izao, ry Malagasy havako ? (ohatry ny mitory teny aho e ? hihihi)

Raha itony andian-tantara mitohy amin’ny fahita lavitra itony ny fiainam-pirenena eto Madagasikara manko dia atao hoe mivadibadika ny andavanandro, nefa koa ny eo ihany no eo.




Ity taona 2014 ity dia nandalovan-java-tsampona :

-      Janoary (asabotsy faha-25) èNianiana teny Mahamasina ny Filoha vaovao Atoa Hery Rajaonarimampianina, lany tamin’ny fifidianana 2013 (25 oktôbra sy 20 desambra)

-      Naharitra ny fanendrena Praiministra sy governemanta vaovao, volana martsa sa aprily moa vao hita Atoa Kolo Roger, sady Praiministra no Minisitry ny Fahasalamama-bahoaka. Ny ministeran’ny Fambolena no an’ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana dia Atoa Ravatomanga. Lany depiote Rtoa Hanitra Razafimanantsoa.

-      Mbola niandry elaela indray vao fantatra izay fandaharan’asan’ny ministera isan-tokony. Miandry vola no antony hono.

-      Mitohy ny fivorian’ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana ("sesitany" atsy Afrika atsimo hatramin’ny taona 2009) atsy amin’ny MAGRO Behoririka. Nanambara fanohanana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina Atoa Marc Ravalomanana nandritra ny fiantsoany mivantana amin’ny finday ao amin’ny MAGRO. Etsy andaniny, mihamangatsiaka, eny, velon’ady amin’ny MAPAR nanohana azy Atoa Filoha. Mivadika ambany ambony ny mpinamana sy mpifandramatra ! Gaga sy midanàka ny olom-pirenena.

-      Misasaka ihany ny taona, eny an-tenantenany, mifidy ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ireo depiote voafidy tamin’ny 20 desambra 2013. Lany hitarika izany Rtoa Christiane Razanamahasoa (MAPAR, na Miaraka Amin’ny Prezidà Andry Rajoelina). Vetivety teo, voaongana izy, ka Atoa Jean Max Rakotomamonjy (Leader Fanilo) indray no Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Fa vao "saison" iray fotsiny izany an ! Mbola ho avy ny mafimafy kokoa hihihi.

-      Mandritra izany volana samihafa mifampitohy izany, matetika mivoaka any ivelany Atoa Filoham-pirenena, eny, tsy ampy herinandro nianianany akory dia niainga ho any Frantsa izy. Dia nitety izao vazan-tany rehetra izao. Mahavariana ity fomban’ny mpitondra Malagasy voafidy ity fa tsy miova mihitsy an !

-      Volana aogositra, tsy misy mihitsy ny fepetra mazava raisin’ny fitondrana mba hodian’Atoa Marc Ravalomanana aty Madagasikara. Nanambara indray izy fa hijoro ho mpanohitra, ary tena hanohitra ny fitondran’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Gaga indray ianao olom-pirenena fa tsy misy mametra-pialana na ny ministra na ny depiote avy amin’ny ankolafy Ravalomanana…..

-      Oktôbra no volana anisan’ny nampafàna ny tantara :

§  Ny alatsinainy faha-13 : nipoitra tampoka tao Faravohitra Atoa Marc Ravalomanana. Niantso mpanao gazety izy ary dia ren-tany ren-danitra ny kabary nataony, somary nasiaka fitenenana izy. Tsy nisy adiny firy fa ny tolakandro ihany dia nobetain’ireo "commando" nisaron-tava izy dia tsy fantatra izay nisy azy…nandritra ny roa na telo andro. Hay nalefa tany Antsiranana (Diego Suarez), ao amin’ny tranon’ny Amirauté. Mbola ao foana izy mandraka androany.

§  Nisy sakoroka teny Ambohijatovo ny asabotsy 18 oktôbra, nitaky ny hamoahana an’i Dadany ireo mpomba an-dRavalomanana Marc. Izany dia noho ny antso nataon’i Lalao Ravalomanana rehefa afaka nijery ny toerana nitazonana ny vadiny tao Antsiranana izy. Tsy azo ekena izany fa migadra i Dada hoy ny antsoantsony ny zoma 17 oktôbra.

§  Ny alatsinainy 20 oktôbra, niantso fitoniana Rtoa Lalao Ravalomanana, satria izany no iantohana ny fampihavanam-pirenena. Tsy nisy intsony ny hetsika fidinana an-dalambe

§  Niditra ny 21 oktôbra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena. Nalaza be ny resaka "motion de censure" (fitsipaham-pitokisana) omanin’ireo depiote. Antony : mitaraina ny vahoaka, tsy mandeha ny asan-ny governemanta. Ingahy Rakoto Jean Pierre (Jaovato) lany tany Sambava no anisan’ny mafana fo sy mafy vava mpanentana ireo solombavambahoaka hanao sonia io fitsipaham-pitokisana io. Voalaza eran’ny gazety sy haino aman-jery fa 98 no efa nanao sonia an’izany (150 eo ho eo ny isan’ireo depiote).

§  Ny alin’ny alarobia 22 oktôbra, Atoa Jaovato, nivory tao amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, miaraka amin’ny depiote maro sy Atoa Kolo Roger Praiministra, dia nanambara mazava sy tamin’ny feo feno fahavononana fa misy solombavambahoaka 101 mandà ny fitsipaham-pitokisana. Izany hoe, mety ny asa ataon’ny governemanta. Elaela vao hita izany satria 3 volana vao voatendry ny ministra, ary mbola niandry vola azo iasana koa ireo….

-      Nôvambra teo dia ireo fivezivezin’ny Filoham-pirenena sy ny fampihavanam-pirenena sahanin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) no anisan’ny resabe. Eo koa ny fahagagana amin’ireto "dahalo niova fo" (voambolana tsy ara-dalàna izany). Dahalo nilavo lefona no mifanandrify kokoa fa ny olona niova fo, dia voambolana ara-pinoana entina ilazana ny olona mibebaka sy manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra.

-      Tsy adinoko fa nandritra ny volana novambra ihany koa, ny asabotsy faha-08 no nifidy izay ho biraon’ny Holafitra mifehy azy ireo mpanao gazety eto Madagasikara (fihodinana voalohany) Tantara be manadala koa io, fa nisy anarana nitsimbadika dia voka-pifidianana nifanipaka. Ady no saika niafarany ary voateny mafy ilay vaomiera mpanomana ny fifidianana. Nitady fomba handaminana ny raharaha anefa ny maro ary dia nofoanana ny fihodinana faharoa saika natao ny alarobia 19 novambra.


Amin’ny asabotsy 06 desambra ho avy izao no atao ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ny Filohan’ny Holafitra ka Atoa isany Gérard Rakotonirina (Gazety Basy Vava) sy Atoa Hervé Rakotozananay (Radio Don Bosco) no ifaninana.
Misy tsy manaiky ny hanaovana io fifidianana io anefa ny andiana mpanao gazety sasany, nivondrona ao amin’ny FOTM (Fiombonamben’ny Orinasan-gazety Tsy miankina eto Madagasikara). Nambarany fa tsy ekeny ny voka-pifidianana tamin’ny 08 novambra teo ary nitory ny vaomiera misahana ny fifidianana zareo.

Menatra ny mpanao gazety, fa endrika ratsy be ho an’ny asany izao tsy fahatomombanan’ny fifidianana Biraon’ny Holafitra izao. Sampona be aloha ilay izy e ! (hihihi)


Mandritra ireo resaka rehetra ireo dia mangalatra ihany ny mpangalatra, maty ihany izay maty noho ny herisetran’ny jiolahy isan-karazany, mamely ny kolikoly, mitohy tsy misy fepetra hentitra ny fanondranana "bois de rose" sy ny hafa, ny fahatapahan-jiro sy rano avy amin’ny JIRAMA tsy misy fiafarany, na dia voaroaka efa ho iray volana aza ny Minisitra Fienena Richard.

Mba mety ho valaka ihany ny olom-pirenena amin’izany an ! "Cinéma" tsy misy ohatran’izao !

Androany aho nahita mpivarotra mandehandeha milanja hazo noely (sapin artificiel), nahatsiaro tampoka fa hay moa akaiky ny fety fiafaran’ny taona. Ndryyy…


Aucun commentaire: