jeudi 15 décembre 2011

Ndao ange mba hilalao kely e

Mba tsapanao ve ireo zavatra mahavariana manodidina anao ?

Ankoatra ny zavaboarin’Andriamanitra izay kanto tokoa (tahaka anao io :-) ) dia misy koa asa tanantsika olombelona mahavariana. Jereo manodidina anao, mino aho fa misy izany an !

Indro ary aloha santionany, topi-maso amin’ny farihin’ny Masay, tamina vanim-potoana samihafa (  "Klikeo" (havia) ny sary dia mihalehibe ! )

Ny taona 2007 dia toy izao no endriky ny tanàna

Tamin’ity taona ity, volana aprily dia toy izao ….
 Hitanao ve ny fiovana ? Trano maro be no niorina nandritra izay efa-taona izay an ! ….


Ary amin’izao volana desambra 2011 izao, 
dia hita mijoalajoala ery ilay trano ben’i Orange

Andao hikisaka indray, hitazana faingana vavahadin’olona hihihi

Resaka alika ity marina ! Oay !

Odryyy ! Mbola izy indray koa izao an !

Alikas maditras hono ?! hihihi 


Ireto indray dia fanentanana amin’ny fahadiovana, saingy samihafa no filazany azy !


Ho an’ny mpivarotra hani-masaka dia mamporisika fahadiovana tokoa tokoa izao peta-drindrina izao


Ity soratra an’elakelan-trano ity indray dia masiaka be an ! Fampitandremana tokoa izany !



Hamaranantsika azy, dia ity voninkazo ity dia mahavariana ahy. "Novembrier" hoy ny olona no anarany. Mety ho "November" ihany koa ô ? 


Izay indray no voan-dalana samihafa androany. Mitsikia kely e ! Mirary soa sy fiadanana tanteraka ho anao an :-)

  

Aucun commentaire: