mardi 13 décembre 2011

Eto ihany izao an

Eny tokoa, fa dia eto Madagasikara ihany hatreto no ahitantsika ireto tranga ireto aloha an ;-)

Rehefa mivezivezy eto Iarivo dia variana ny maso, liana ny sofina ary finaritra ihany ny saina amin’ny zavatra hita sy re. Indraindray mba lasa eritreritra lalina ihany koa an !


Itony fiara tranainy itony izao dia eto ihany no misy azy ve ?

Tena efa « ntaolo » be nefa mandeha tsara an !
  
Izao indray dia mampisaina fatratra amin’ny fahasamihafam-piainan’ny zanak’olombelona. 

Ny sarety sy ny posy taritina, ny 4x4 (fiara tsy mataho-dalana
 hono no filaza azy hihihi) mirimorimo hatrany. Ndryyyy…


Dia toy izao indray ny ampalibe mitobaka eny an-tsena….


…na koa ny fary, tsy lavitry ny karôty hihihi



Fa inty no tena lalina koa an : kiraro re izany rey olona an ! Andray ! hihihi 



Mampihomehy sady mampieritreritra izany rehetra izany. Dia samy eto Antananarivo ihany ireo rehetra ireo an !


Samia tsara, samia tahian’Andriamanitra amin’ny atao an. Mirary soa ho anao  :-)

Aucun commentaire: