vendredi 16 décembre 2011

Antsa ho an’i Elie Rajaonarison

Manomana hetsika indray ny namantsika ao amin’ny Faribolana Sandratra.

Raha tsiahivina moa, ny Faribolana Sandratra dia sehatra ikambanan’ireo Poety sy Mpanoratra, natambatr’i Elie Rajaonarison tamin’ny taona 1990 tany ho any.

Indrisy fa nandao antsika i Elie Rajaonarison, herintaona lasa izao. Ny asany anefa mitoetra, ary ny Fariboalana Sandratra no mamelona azy hatrany hatrany. Izany no anton-dresaka anio an.

Amin’ny Asabotsy 17 desambra 2011 izao (rahampitso !) dia hisy ny antsan-tononkalo "Ranitra" ho fahatsiarovana an’i Elie Rajaonarison. Ao amin’ny Goethe Zentrum na CGM Analakely no ho tanterahina io seho io, manomboka amin’ny 03 ora tolakandro.

Toy izao i Elie Rajaonarison, fahavelony, rehefa
miantsehatra (Sary Faribolana Sandratra)

Ranitra, amboaran-tononkalo voizin’ny Faribolana Sandratra

Mampahatsiahy ny momba ny amboaran-tononkalo "Ranitra" ny Faribolana Sandratra.

Raha tsiahivina, nivoaka tamin’ny taona 1992 ny amboaran-tononkalo “Ranitra”. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Centre Culturel Abret Camus (IFM), Analakely tamin’ny volana marsa 1994. Nifameno tamin’izany ny fiantsana ampahany tamin’ny “Ranitra” sy ny fihirana ary ny fandihizana azy.

Toy izao no ampahany tamin’ny fanoloran’Ilay ity boky ity :
(...)
"RANITRA": lohateny mampiseho indrindra ny fahaizan'ity poeta ity (elie rajaonarison) milalao teny. Voanteny iray - toy ny foto-kazo misandrahaka - manana ny heviny maro sy samihafa. Ao aloha ilay heviny voalohany: mifilofilo, kitso loha, fiharatra. Heviny itarina: marani-tsaina, matsilo, mahataka-javatra, mahita ny tsy hitan'nyhafa. Fa mbola ambaran'io lohateny io ihany koa ny hoe "mandranitra": amin'ny alalan'ny tononkalony, manao izay haha "ranitra" na "rangitra" (araky ny fiteny ankehitriny) ny mpamaky azy i Elie Rajaonarison.
Heviny iray farany, ary ity angamba no tena tian'ny mpanoratra horaketin'ilay lohateny. Amin'ny fiteny antandroy, ny voambolana "ranitra" (na "ranitse" dia anondroana "sakaiza", "namana", ary amin'ny fiteny merina: "sakaiza miafina".
Ny sakaiza tena akaiky sy miafina no hany itantarana ny zavatra rehetra, ny tsiambaratelo, ny zavatra afenina. Ny toeran'izany karazana sakaiza izany indrindra no omen'i Elie Rajaonarison ireo tononkalony. (...)"

Ilay (Ralaisaholimanana Louis Dominique) 15 novambra 1992
in Ranitra, 1992

Marihina fa amin’io antsa io dia ho avy eo avokoa ireo poety sy ireo mpanakanto samihafa, ohatra amin’izany ny tarika Moajia. I Vonjiniaina kosa no miangaly ny ravaka sy ny haingon-tsehatra.

Nifandray amin’ny mpanakanto isan-tsokajiny
i Elie Rajaonarison (Sary Faribolana Sandratra)

Sahia manonofy (ntsôô)

Ankoatra io fotoana rahampitso io dia efa nisy koa hetsika hafa koa ampitain’ny Faribolana Sandratra, dia ilay hoe "Sahia manonofy", tsiaro an’i Elie Rajaonarison tany Ankatso ny 07 desambra 2011 lasa teo.

Fifaninanana slam sy antsantononkalo no nitranga tany, ary 19 mianadahy no nandray anjara. Ny Kômitin’ny Kolontsaina ao amin’ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines (FLSH) ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo no nisahana io hetsika io.

Ny toeran’ny soratra araka ny FLSH
(..)Tafakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’izy ireo dia 5 mianadahy tamin’ny TONONKALO, izay norombahin-dRALISOA Ravaka avy ao amin’ny mpianatra, Département Langue et Lettre Malgache ny amboara voalohany. Tamin’ny SLAM kosa dia lavo ny tompondakan’i Madagasikara (RAHANITRINIONY Princie fantatra tamin’ny anarana hoe « Système D » ka lasan’i BARRY Benson izay mpianatra avy ao amin’ny Ecomie DEGS.

Fety no nanankatonan-dry zareo avy ao amin’ny FLSH ity fifaninanana ity, satria  nofaranana tamin’io koa ny taon-kolontsaina 2011. Maro ny hetsika natao, nanasana mpanakanto maro toa an’i Fara Gloum sy Ralanto ary ireo mpamorona tantara sy tononkalo  avy ao amin’ny Faribolana Sandratra.


Ny Institut Confucius ao Ankatso

Tao koa ny hetsika isaky ny Sampampampianarana tsirairay toy ny avy ao amin’ny Institut CONFUCIUS izay nanao dihy malagasy sy ry zareo Sinoa. Nianoka hafaliana tokoa ny tsirairay tamin’io andro io satria, tao amin’ny Buvetten’ny FLSH ihany koa dia nisy ireo mpanakanto maro samy hafa izay narindran’ny SK2H, ny SK2H moa dia sampana kolontsaina  iray izay natsangan’i Elie RAJAONARISON. Araka ny tenin’ny Filoha mpitantana ny Komitin’ny Kolontsaina ao amin’ny FLSH RAMAHADISOA Fenomalala sy ANDRIANTSOA Ny Anja dia niezaka tokoa ry zareo ary tsy nikely aina mba hanantontosa iny hetsika iny mba hamoha indray ny hetsika ara-kolontsaina sy zava-kanto.

Nilaza Atoa Sojaben’ny FLSH, Richard RANARIVONY fa mbola tsaratsara kokoa noho izao ny hetsika ara-kolontsaina eto anivon’ny Facultés izay tantaniny amin’ny herintaona. Nanampy tamin’ny fikarakarana rehetra izy, indrindra tamin’ny fanomezana ny loka ho an’ireo mpifaninana.

Nanolo-tanana koa ny Faribolana Sandrantra nitsara tamin’ny fifaninanana nanomboka ny dingana ampahefadalana, niaraka tamin’ireo Mpampianatra sy Mpandraharaha. Nambaran’ny mpikarakara manokana, Kim RANDRIATSALOMANARIVO fa hitohy ny fiaraha-miasan’ny Faribolana Sandratra sy ny Komitin’ny Kolontsaina FLSH mba hanandratra hatrany ny lazan’ireo manan-talenta manerana ny Nosy. Noho izany, hisokatra hanerana ny Nosy ny andiany faharoa amin’ny taona ho avy.


Nandao ny tany namela ny mamy tokoa i Elie Rajaonarison an ! Any amin’ny faritra koa manko dia miroborobo ny Faribolana Sandratra.

Vaovao avy any amin’ny Faritra:
Natao tao amin’ny sekoly Stella Marris, Toamasina ny alarobia 14 desambra lasa teo ny antsantononkalo namoahana ny boky “DIA HARY” nosoratan’i Herinina, Faribolana Sandratra ao Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny antsa fanaon’izy ireo isam-bolana koa izany.

Ilay boky DIA HARY novokarin’i Herinirina



Mihetsika koa ny Faribolana Sandratra any Ambatondrazaka. Nakarin’izy ireo an-tsehatra tao amin’ny Ekar foibe Victoire Rasoamanarivo ny soratr’i Elie Rajaonarison, Ilay, Ranöe, J. Nalisoa Ravalitera, izay samy anisan’ireo nanorina ny Faribolana Sandratra sy samy manana faka lalina ifandrohizana amin’Alaotra (fiaviana, fahazazana, fahalehibeazana). Nialoha izany, nanao alimbetso tany amin’ny Sinibendranon’Ambatondrazaka izy ireo.


Samia tsara, rey olona â ! Dia amin’ny asabotsy mifankahita izany an ! :-)

  

Aucun commentaire: