mercredi 20 juillet 2011

Tsy mena-mivadika hoe….

Mivadibadika ny volon’andro, lasa vetivety ilay andro mangatsiaka be teo. Ilay alizay mitsoka avy any atsimo atsinanana hoy ny Meteo Malagasy. Mihamafana tato ho ato ny andro, mibaliaka Ingahibemasoandro rehefa levona ny zavona vao maraina. 


Manao ahoana ny fiainana andavan’andron’ny mpiara-belona amintsika amin’izany ?


Revo ny olon-dehibe….


Maika ny renim-pianakaviana….


Mikarama ny mpivarotra mandehandeha….


Tsy maintsy atrehina ny adidy aman’andraikitra e ! Na manara ny andro, na mafana, eny, samy miatrika ny andavan’androny avokoa ny rehetra !

Ataovy am-pifaliana hatrany ary izay adidintsika, dia ho mirana endrika foana ianao. Tsy mikentrona mihitsy na dia valopolo taona aza !

Aucun commentaire: